airtel

Actualités

26-mai-2026

I.F.R -

Sehatra ifanakalozana SIAP

Sample post image

Manohana ny Fanavaozana ary handray

26-mai-2026

anjara amin’ny fikaonandoham-pirenena.

Naneho ny fanohanany ny Fanavaozana sy ny fahavononany handray anjara feno amin’ny fikaonandoham-pirenena ny Ivon’ny Fanavaozana ny Repoblika (I.F.R) sy ny Sehatra Ifanakalozan-kevitry ny Antoko Politika (SIAP). Nivoitra ireo nandritra ny fihaonan'ny delegasiona avy amin'ny I.F.R sy ny biraon'ny SIAP tamin'ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, Kol. Michael Randrianirina, teny Iavoloha ny herinandro teo. Voalaza koa fa hitohy ny fifampidinihana sy ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ho an’ny tombontsoam-pirenena. Nohararaotin'ny biraon'ny SIAP io fihaonana io nanazavan'izy ireo tamin'ny filohan'ny Fanavaozana ireo andraikitra fototra sahanin’ny SIAP ho fampiroboroboana ny fifampiresahana sy ny fifanakalozan-kevitra, ary koa ny ezaka atao hampiharana ny politika mifototra amin’ny fanajana ny etika sy ny soatoavina.
ETIKA POLITIKA
Natolotr'izy ireo ny filohan'ny Fanavaozana ihany koa ny sata mifehy ny fitondran-tena tsaran’ny antoko politika, izay fitaovana ara-etika entina hisorohana ny herisetra sy hanamafisana ny filaminana, indrindra mandritra ny vanim-potoanan’ny fifidianana. Hitondra ny anjara birikiny hahombiazana amin'ny fikaonandoham-pirenena ireo mpikambana ao amin'ny SIAP amin’ny alalan’ireo traikefa ananany, ireo traikefa sy fomba fanao tsara ary ireo fahaiza-manao ara-teknika sy ara-politika. Nanamafy koa ny biraon'ny SIAP fa misokatra hatrany ho amin’ny fiaraha-miasa rehetra ho fampanjakana tontolo politika milamina sy mirindra eto amin'ny Firenena.
Jean D.
Delegasiona avy amin'ny IFR sy SIAP nihaona tamin'ny Kolonely Randrianirina Michaël, filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika

 

Dans la même rubrique

26-mai-2026

Tsy mpaniraka olona hivarotra amoron-dalana izahay!»

Card image cap
22-mai-2026

Tsy anaty kitapombolam-panjakana ny fitakiana, tsy zo iny fa « prime » !»

Card image cap
22-mai-2026

Tsy tokony ho be kolikoly sy hamoritra vahoaka ny manamboninahitra »

Card image cap
22-mai-2026

hoy ny Filohan'ny Synad

Card image cap
22-mai-2026

ireo hisakafo ao amin’ny PHO Resto

Card image cap
22-mai-2026

Mirongatra ny halatra tany tsy

Card image cap