Ho an’ny kaominina Ankaraobato manokana dia fantatra fa miisa 98 izy ireo no monina ao an-toerana miparitaka amin’ireo Fokontany 6 amin’ny 7 mandrafitra ity kaominina ity. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia misy 26 isa izy ireo ny amin’ny Fokontany iray, misy 12, misy 30 mahery…. Fantatra fa teratany Karana efa lany taratasy fahafahana mivahiny an-tanin’olona nanomboka tamin’ny volana Novambra sy Desambra taona 2023 izy ireo na ny VISA. Mijanona eto Madagasikara aloha izy ireo noho izany mandra-pisian’ny fandraisana andraikitra hataon’ny fanjakana. Nomarihin’ireo mponina eny Ankaraobato moa fa endrik’olona somary sahirana ny ankamaroan’izy ireo. Tena tsy mahay miteny gasy na Frantsay ihany koa farafaharatsiny fa mampiasa tanana manondro rehefa hividy zavatra na hiala ao anaty taksibe. Amin’ny ankampobeny moa dia tokony ny delegem-panjakana ao anatin’ny kaominina iray no mampahafantatra ny fisian’ireny tera-tany vahiny lany taratasy ireny eny anivon’ny Ministeran’ny raharaham-bahiny, hahafahan’ireto farany mandray fepetra.
Pati
Legende : Lehibe ihany ny kaominina Ankaraobato, antony hitangoronan’ireo tera-tany Karana lany taratasy ao an-toerana !
Samy velom-panontaniana ny mpanara-baovao tato anatin’ny herinandro izay manoloana ireo
Niparitaka nanomboka omaly ny didy fampikarohana an’i Bekasy Johnfrince. Karohin'ny polisin'ny
Raim-pianakaviana iray antsoina hoe Hery na Iaban’i Sarah no namoy ny ainy tao amin'ny Kaominina Ranotsara
Miha tery hatrany ny fahafaha-mivelona na fivelomana eto Madagasikara, indrindra, taorian’ny fidiran’ny
Ny lafiny famoronana sy fanatontosana, ireo sisa tena olana amin’ny sarimihetsika malagasy,
Efa kely sisa dia maherin’ny herintaona no nisian’ny ranobe tsy mety ritra etsy Andravoahangy ambany.