3811 miliara ariary mahery ny volam-panjakana very nandritra ny fitantanana ny raharaham-panjaka ny taona 2025 araka ny tatitra navoakan'ny fitsarana ambony momba ny kaonty. Nanome toromarika hentitra ireo sampandraharaha mpanara-maso ny fitantanana ny raharaham-panjakana mba hanomboka ny fanadihadiana sy famotorana ireo tompon'andraikitra na iza izy na iza noho izany ny filohan'ny fanavaozana araka ny naoty araka asa navoakan'ny mpitondra tenin'ny fanavaozana ny 20 martsa 2026. Migadona ihany ity ny volana jona saingy tsy mbola afaka nanao ny asany ara-dalàna amin'ny fanadihadiana ireo inspecteurs d'etat tokony hanao izany satria araka ny nambaran'izy ireo dia tsy mbola nomen'ny tale jeneralin'ny Inspection générale de l'état (IGE) ny iraka an-taratasy (ordre de mission) mifanandrify amin'ireo minisitera nahitana fanodinkodinana volam-panjakana mihoampampana hatramin'izao. Anisany tokony hotsirihina sy hadihadiana ohatra ireo fotodrafitrasa manarapenitra izay efa voaloa vola tanteraka kanefa tsy vita ny asa na nirodana ny trano. Nanoratra taratasy misokatra ho an'ny filohan'ny fanavaozana ny repoblika ireo mpiara-miasa isan'ambaratongany eo anivon'ny IGE mba anambaran'izy ireo fitarainana miisa 3 noho ny afitsok'ingahy tale jeneraly. Ankoatra ilay tsy fivoahan'ny ordre de mission ahafahana manomboka ny asa dia nilaza ireto mpiasa ny IGE ireto fa efa nisy fitsirihana natao teny amina minisitera vitsivitsy noho ny resaka fanodikondinana volam-panjakana mialohan'ny nivoahan'ilay tatitra nataon'ny fitsarana ambony momba ny kaonty ary nahavitana "rapport d'inspection" mazava tsara saingy tazonin'Atoa tale jeneraly ao aminy jzany ary tsy alefany any amin'ny tompon'andraikitra ara-pitsarana izany. Manakantsakana ny fanenjehana ireo tompon'andraikitra ahiana ho nanodikondina volam-panjakana izao fihetsiky ny tale jeneralin'ny IGE izao hoy ity taratasy misokatra avy amin'ny jreo mpiasa maro an'isan'ny IGE ity. Midika ho tsy fanatanterahana ny toromarika nomen'ny filohan'ny fanavaozana ihany koa ary tena mifanohitra amin'ireo soatoavina ijoroan'ny inspection générale de l'ètat. Lasa sakana amin'ny fanatanterahana ny asa araka ny toromarika nomen'ny filohan'ny fanavaozana ny fijanonan'io tale jeneraly mamitsaka "rapport d'inspection" io amin'ny toerany hoy ny taratasy misokatra nataon'ireto mpiasa maro an'isa eo anivon'ny IGE ireto. Andrasana izay mety ho fanapahan-kevitry ny fanjakana foibe.
Nangonin'i RTT
Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy