airtel

Actualités

20-mai-2025

Institut National de Tourisme et d’hôtellerie

Hanitatra fotodrafitrasa, hanatsara ny kalitaom-pampianarana

Sample post image

Hitombo ary hihatsara ny fahaiza-manaon’ireo mpianatra eo anivon’ny

20-mai-2025

Institut National de Tourisme et d’Hôtellerie (INTH) afaka 15 volana. Fotoana hahavitan’ny fanatsarana sy ny fanaganana foto-drafitr’asa vaovao ao an-toerana etsy amin’ny INTH Ampefiloha. Tontosoa omaly ny fametrahana vato fototra fanombohan’ny asa, izay vatsian’ny « Agence Française de Développement » (AFD), vola mitentina 2 tapitrisa Euro. Tsy hijanona eo amin’ny fananganana sy fanatsarana ihany izy ity fa hisy ihany koa ny fampitaovana raha ny fanazavan’Atoa Joel ANDRIAMAHENINA, mpandrindra ny tetikasa. Hahaleo tena tanteraka ny INTH aorian’ny fahavitan’izao foto-drafitr’asa izao. Hitombo ihany koa ny mpianatra ho raisiny ary ho matihanina hatrany ireo mpianatra mivoaka ao an-toerana raha ny fanazavana. Hiaraha-mahita fa sehatry iray tena mandroso ny fizahantany eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Raha any amin’ny faritra manokana dia maro ireo hotely tsy maharaka amin’ny fandraisana mpizahantany. Efa mipaka amin’ny firenena hafa ihany koa ny fahaiza-manaon’ny Malagasy satria raha ny any Maorisy ohatra dia efa misy ireo manafatra Malagasy hiasa any amin. Hitondra vokatsoa tsara ho an’i Madagasikara noho izany ny tetikasa toy izao hoy ny masoivohon’i Frantsa eto Madagasikara, Atoa Arnaud Guillois.
LALAINA RAV
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.

Card image cap
13-juin-2025

Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :

Card image cap
13-juin-2025

Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra

Card image cap
12-juin-2025

Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona

Card image cap
12-juin-2025

Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana

Card image cap
12-juin-2025

Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira

Card image cap