airtel

Actualités

12-févr-2024

ITAOSY SY NY MANODIDINA

Tapaka adin'ny 07 ny jiro omaly

Sample post image

Anarany no mba faran'ny herinandro nakan'ny fianakaviana aina niaraka omaly Alahady 11 Febroary

12-févr-2024

fa tena nahasorena kosa ny zava-nitranga teny Andranonahoatra Itaosy Atsimondrano teny. Tapaka nanomboka tamin'ny 10 ora sy sasany maraina mantsy ny jiron'ny Jirama ary tsy niverina raha tsy tamin’ny 05 ora sy sasany hariva. Tsy mba afaka niara-nijery vata fahita lavitra, nihaino hirahira mahafinaritra, nahandro sakafo tamin’ny fatana mandeha amin’ny herinaratra… ny ankamaroan’ny fianakaviana noho izany fa niaina tao anaty fahasahiranana tanteraka. Voakasik’izany manokana ireo nanan-draharaha natao toy ireo nanao batisa tany am-piangonana…Tsy lazaina intsony ny nanjo ireo olona mivelona amin’ny herinaratra toy ny mpanao volo, ireo mpivarotra trondron-dranomasina izay maty antoka an’aliny ny sasany….Raha araka ny siosion-dresaka nandeha moa dia vokatry ny fanamboarana ilay andrin-jiro izay nisy tariby mitondra herinaratra tapaka teny Behenjy Itaosy no nitarika izao fahatapahan-jiro tsy nisy fampilazana teny Itaosy izao. Tsy mba ora roa na telo rahateo no lany fa naharitra ora fitobe izao. Tsiahivina hatrany moa fa ny faran’ny herinandro no mba fiarahan’ny fianakaviana ao an-tokantrano noho ny asa fitadiavana sy ny rotorotom-piainana. Tokony hiezaka hifampitsinjo amin’ny mpanjifany araka izany ny orinasa JIRAMA ary hanao fampilazana raha hanamboatra tahaka ireny mora handaminan’ny mpanjifa ny fandaharam-potoanany.
Pati
 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Nifoha indray ny afera Jirama mikasika kolikoly goavana nahasaraingotra ireo mpitantana sasany.

Card image cap
14-mai-2024

Mbola mahatratra 50.000 ireo raharaham-pitsarana mihantona eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga

Card image cap
14-mai-2024

12 tapitrisa Ariary no vidin’ilay vola volamena 50 Ariary milanja 1 Oz na 31,104 grama,

Card image cap
14-mai-2024

Endrey izany fiedinedin’ireo mpanao politika, maneho ny antsoina hoe :

Card image cap
14-mai-2024

Mikolay ny mpampiasa sy mpikirakira internet nanomboka ny alahady tolakandro teo noho ny haratsian’ny

Card image cap
14-mai-2024

Lasa mpilalao sary mihetsika malaza i Marc Tatandraza.

Card image cap