gaigilahy amin'ny tambajotran-tserasera Facebook no fantatra fa saron'ny mpitandro ny filaminana tao antranony teny Sahalemaka Itaosy, distrikan'Atsimondrano ny faran'ny herinandro teo. Tahaka izao no fomba fiasany raha tsiahivina. Manao tolotra sy varotra an'habaka izy amin'ny sandany ambany sy mora dia mora ary mampilendalenda ny mpisera. Kaonty maromaro no hampiasainy amin'izany toy ny Romeo HR, Idealy HR, Tahina Rakoto, Feno soa, Manda Fy, Tania Nathalie ary Frère Gideona. Azy irery ireo kaonty manokana ireo ary hampiasainy hisolokiana fotsiny. Varotra moto sy fiara, fampanofana trano, varotra trano na tany sy ny maro hafa koa no hatao amin'izany. Manome tolotra, mandresy lahatra, maka vodiondrim-barotra ary mahazo vola izy aorian'izany. Tapitra eo ny fifandraisana avy eo rehefa voaray ny vola ka sady Bloqué-ny ilay tompom-bola no hataony liste noir ihany koa. Izay mpanjifa mitady hirika hifandraisana aminy dia rahonany sy hangalariny ny sary sy anaran'ilay mpanjifa voasolokiny ary ampiasainy hanaovana fisolokiana indray. An-jatony ireo efa tratrany tamin'ity asa ratsy ity. Miantso ireo rehetra efa voasolokin'ireo kaonty facebook voalaza eo ambony ireo mba hanatona ny biraon'ny borigadin'Itaosy hanatevin-daharana ireo efa nametraka fitoriana ny mpitandro ny filaminana.
Nangonin'i Pati
Légende : Ity ilay mpisoloky