airtel

Actualités

15-mai-2026

Jean Nirina Rafanomezantsoa

Voaantso hatao famotorana eny Fiadanana

Sample post image

Voaantso hatao famotorana eny

15-mai-2026

amin'ny Zandary misahana ny fikarohana heloka bevava eny Fiadanana i Jean Nirina Rafanomezantsoa, filohan'ny HAFARI Malagasy sady Sefo Fokontany ao Anosizato Est 1. Raha ny nambarany dia any ampanaovana adidy amin'ny fianakaviana tany Arivonimamo izy omaly no naharay antso avy amin'ny zandary ao Fiadanana fa ilaina maika sy misy famotorana hatao aminy. Milaza ho tsy mahalala ny anton'ny fampiantsoana moa i Jean Nirina Rafanomezantsoa saingy nanambara fa "vonona hiseho ary ho avy eny anio maraina". "Madio ny saiko, tsy manana zavatra mampiahiahy, ary tsy mitady korontana teto amin'ny firenena", hoy izy. Iray amin'ireo sefo Fokontany miisa 32 tao Boriborintany fahaefatra - Antananarivo Renivohitra nesorina amin'ny toerany i Jean Nirina Rafanomezantsoa.
Jean D.
Jean Nirina Rafanomezantsoa, Sefo Fokontany Anosizato Est 1

 

Dans la même rubrique