Antoky ny fahadiovan’ny fifidianana io, hoy izy. Ny voaheloka ka very zo rehefa namoahana didy ihany no tsy mahazo mifidy fa tadidio. Zo fototra ny mifidy ka raha misy manao fanentanana na fanambarana mifanohitra amin’izany dia fanitsakitsahana sahady ny zon’olombelona izany satria ilay zo hifidy mihitsy izany no tiana halana amin’ilay olona iray. Mikasika ny ady ao Okrainina dia mazava ny safidintsika hoe tsy momba an’iza na iza manoloana io ady io. Efa nalana tamin’ny toerany ny minisitry ny raharaham-bahiny. Mikasika ireo raharaha maha be resaka eny amin’ny antenimieram-pirenena dia mampametra-panontaniana ny zava-misy. Aza adinoina fa ny hitantsika tamin’ny tambazotran-tserasera aloha hatreto no hitondrantsika ny fomba fijerintsika fa inoana fa hiasa amin’ny fanadihadiana lalina ny mpanao fanadihadiana sy fitsarana. Tsy misy mpiaro manao heloka eto. Niarahantsika nahita fa vao tsy nanaraka fitsipika nifampitondrana ny minisitra dia nalana tamin’ny toerany. Tsy ny fitondrana ankehitriny mihitsy no hanao kiantrano an-trano na hiaro olona manao meloka. Maro ihany ny tomponandraikitra efa nalana tamin’ny toerany toy ny governoran’Alaotra mangoro sy talem-paritra sasany. Fanontaniana mipetraka ny hoe ny maha vadina minisitra ny filohan’ny CENI ve, ohatra, no nanendrena azy ho filohan’ny CENI? Diso avy hatrany izany satria nofidiana ireo mpikamban’ny CENI ireo ary nanao fianianana fa hanao ny asany araka ny lalàna, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Ny valan-javaboarin’i Tsimbazaza dia tsy toeram-pialan-tsasatra tsotra,
Toe-javatra mety mitranga ny tsy fitovian- kevitra eo amin’ny ray sy ny reny momba ny fitaizana ny zaza,
800 hatramin’ny 1600 taonina isan’andro ny fakon’Antananarivo izay isan’ny tena
800 hatramin’ny 1600 taonina isan’andro ny fakon’Antananarivo izay isan’ny tena
Nifarana ny kilalao tamina fahitalavitra tsy miankina iray, izay ana loholona iray eto Madagasikara
Ny 47%-n’ireo ankizy latsaky ny 18 taona eto amintsika no efa miditra eo amin’ny sehatry ny asa.