Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fangatahana fahazoan-dalana ho an'ny JIRAMA hamarana ny fifanarahana fanofana ireo vondrona mpihary herinaratra amin'ny orinasa "Henri Fraise et Cie" sy ny fandoavana ireo taratasim-bidy mifanaraka amin'izany. Tompon-kevitra amin'io ny Minisiteran'ny angovo sy ny akoran'afo miaraka amin'ny Minisiteran'ny toekarena sy ny fitantanam-bola. Heverina fa tafiditra ao anatin'ny fampitsaharana ireo fifanarahana mamono antoka io, saingy inoana na irariana fa efa misy ny vahaolana mifandraika amin'ny fanapahan-kevitra. Raha hiverenana, ny volana martsa teo no efa nisy ny dinika sy fihaonana teo amin’ny Orinasa JIRAMA sy ireo mpiara-miombon’antoka misehatra amin’ny lafiny famokarana herinaratra na ireo IPP. Niompana tamin'ny vinam-panarenana ny JIRAMA sy ny hoavin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta, izay misy andry roa tsy azo sarahina ny fanarenana dia ny fahombiazana ara-teknika sy ny fahamarinan-toerana ara-bola. Navoitra tao anatin'io fa hisy ny fanitsiana ireo fifanarahana (contrats) mba hifanaraka tsara amin’ny tombontsoan’ny roa tonta. Tsy ireo fifanarahana rehetra no asiam-panitsiana fa ireo izay tsy nanaja ny Boky fepetra (cahiers de clauses), araka ny tatitry ny sampandraharaha miadidy ny fanaraha-maso ny fitantanana ny volam-panjakana sy ny fananam-panjakana na ny Inspection Générale de l’Etat (IGE). Ho an’ny fifanarahana vaovao kosa (nouveaux contrats) dia fepetra tsy maintsy arahina ny fiaraha-miasa mahasoa ny roa tonta (partenariat gagnant-gagnant). Misokatra amin’ireo mpiara-miombon’antoka vonona ny hisehatra amin’izao lalana izao ny Orinasa JIRAMA, raha ny nambaran'ny Tale jeneraly, ny Gal Rasolomanana Hajatiana izay nanipika ny :Fahaveloman’ny mpamokatra, Faharetan’ny rafitra, Fahamarinan-toerana maharitra . Namafisina ny hoe: « Tsy mitady tetik’asa amin’ny vidiny rehetra ny JIRAMA fa mitady angovo amin’ny vidiny ara-drariny ho an’i Madagasikara ». Hifantoka be be kokoa amin’ny angovo azo havaozina arak’izany ireo tetik’asa sy fifanarahana ho avy ary laharam-pahamehana ny fisafidianana ireo izay amin’ny vidiny mora kokoa, ka niantsoanq ireo IPP handroso izay tetik’asa entiny hanatsarana ny fiaraha-miasa. Efa nisy ihany koa ny fampahafantarana ireo IPP ny ezaka fandaminana maty paika ny trosa, ny fanohanan’ny Fitondram-panjakana, ny fanetsehana ireo sampandraharaha ara-bola ary efa mihatsara izany fandoavam-bola izany amin’izao fotoana izao. Raha hampifandraisana kely amin'ny diplaomasia sy ny politika dia somary manitikitika kely ihany hoe: manao ahoana ny mety ho fihetsiky ny Frantsay eo anatrehan'itony fikasana hamarana ny fiaraha-miasa amin'ny orinasan-dry zareo itony?
Toky R
Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy