26 taona nanaovan-gazety ny tena ankehitriny, hoy ny mpanao gazety mankalaza ny jobily fisotroan-drononony, Philémon Raveloarison. Maromaro ny sedra, hoy izy. Vita batemy aho no nisantatra fanadihadiana tany Ankaramalaza. Mbola tsy ampy fizarana fa avy dia voahiraka nankany. Nandeha lakana dia avy eo nandia lalam-potaka. Nampianatra moa ny tena talohan’izay. Taona 2001 no nanomboka nanao gazety. Efa 30 taona mahery ny tena tamin’izany. Batemy tamin’ny fanaovan-gazety izany io tany Ankaramalaza io. Tany amin’ny MBS tamin’izany dia avy eo niaraka tamin’ny ekipan’ny Radio Fahazavàna dia ireny nogadrain’ny fitondràna Rajoelina ny taona 2010 ireny. 3 volana sy 10 andro tany. 20 may 2010 ka hatramin’ny 30 septambra 2010. Nambara ho nanakorontana fanjakàna na hoe nanao «atteinte à la sureté de l’Etat» tamin’izany. Tena fanaovan-gazety sy fampitàm-baovao nefa no natao. Resaka politika be ilay izy dia mpanao gazety no niharan’ny fanenjehana. Sedra koa ny tany amin’ny fonjan’Antanimora satria nahafantarana zavatra betsaka. Raha mpanao gazety tsotra tsy hahazo vaovao firy anaty fonja. Adisoan’ny fanjakàna hatramin’izay ny managadra mpanao gazety satria mikaroka vaovao izy ao anaty fonja ao. Talohan’izay koa izahay dia nidiana vonjimaika na «Violon» tao amin’ny BC Anosy. Izahay no nisantatra ilay fitazonana 8 andro am-ponja nefa izany mandika lalàna. Mpanao gazetin’ny Radio Fahazavàna 10 mianadahy no nisantatra izany. Toerana teritery tsy nisy fandriana tsy nisy na inona na inona nefa olona maro no notazonina tao. 9 mianadahy sy vehivavy 1 izahay no nasamborina. Tany no nanao pantekosta sy alatsinainin’ny pantekosta. Mahafinaritra ny mahita ny fahavitrihanareo zandry ankehitriny tsy mijery fitaovana fa izay omen’ny mpampiasa ihany. Efa mandeha be moa izao ny nomerika. Nony may moa ny orinasanay tamin’ny 2010 dia izay koa avy eo no lasa nahatonga nanoratra tamin’ny gazety an-tsoratra. Mbola hanohy ny fanaovan-gazety eto amin’ny foibe FJKM na efa misotro ronono aza satria efa aretina izy ity, hoy hatrany i Philémon Raveloarison, nizara ny traikefany.
J. Mirija
Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy