airtel

Actualités

05-déc-2024

KAOMININA ALASORA

Ankizy miisa 200 notolorana kopia mari-pahaterahana

Sample post image

Ankizy miisa 200 no indray notolorana kopia mari-pahaterahana omaly Alarobia 04 Desambra tao amin’ny Kaominina

05-déc-2024

Alasora, distrikan’Avaradrano. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny Kaominina tamin’ny Fikambanana Lions Club Antananarivo Manjakamiadana no angady nananana sy vy nahitana izany. Nambaran’ny Ben’ny tanana mpisolo toerana Raharimanantsoa Hery Aina Tsiry fa zava-dehibe ho an’ireo ankizy mbola tsy manana kopia ao amin’ny faritra misy azy ny hetsika tahaka izao mba hahatonga azy ireo ho olom-pirenena feno. Rehefa tsy manana kopia mari-pahaterahana mantsy ny ankizy iray dia nambarany fa tsy hahazo karapanondrom-pirenena ihany koa rehefa feno 18 taona. Ny Kaominina moa no niantso ireo olona manan-janaka mbola tsy manana kopia teny anivon’ny Fokontany mba handray anjara tamin’ny hetsika. Noho ny tahotra hanatona birao, arahin’ny fahasahiranana kosa no voalaza fa anisan’ny antony tsy nanatonan’ireo Ray aman-dReny ny biraon’ny kaominina nikarakara ny kopia an-janany raha misy ihany koa ireo miteraka an-trano. 12 andro aorian’ny fahaterahan’ny zaza iray moa farafahatarany no tokony hanaovana ny fanambaram-pahaterahana eny anivon’ny Kaominina.
Pati
Legende : Raharimanantsoa Hery Aina Tsiry, Ben’ny tanana mpisolo toerana eo anivon’ny Kaominina Alasora !

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap