airtel

Actualités

04-nov-2025

KAOMININA AMBALAVAO

ATSIMONDRANO

Sample post image

Nangotraka ny grevy nanalana ny ben’ny tanàna

04-nov-2025

Nifandona ny samy olon-tsotra, tapaka ny RN7 Mangotraka ny raharaha fanalana ny Ben'ny tanana Razafimahefa Njatonirina amin'ny toerany ao anatin'ny kaominina Ambalavao, distrikan'Antananarivo Atsimondrano. Mbola nitohy hatramin'ny omaly Alatsinainy 03 Novambra mantsy izany rehefa nanomboka ny faran'ny herinandro teo. Nidina andalam-be indray ireo mponina, mitaky ny fialan'ity Ben'ny tanàna ity izay nilaza fa tsy mety aminy intsony ny Fitondrana jadona sy tsy mitsinjo ny madinika. Toraka izany koa ireo manohana azy, mankasitraka ny fitantanany tao anatin'izay taona maro izay. Raikitra ny fifandonana teo amin'ny samy sivily roa tonta vokatr'izany hany ka tapaka hatramin'ny lalam-pirenena faha-7 nandalo teo Ambalavao mihitsy. Samy tsy manaiky ho resy izy ireo ary samy milaza ho manana ny marina. Na izany aza dia fantatra fa mbola manohy ny asany ity Ben'ny tanana ao Ambalavao ity. Ny tena mampanahy dia ny mety hisian'ny faharavan'ny fihavanana anaty fiaraha-monina eo anivon'ity kaominina ity ka mety hihafara amin'ny fifamonoana mihitsy. Antso avo araka izany no hatao amin'ny tompon'andraikitra. Fantatra moa omaly fa nisy ireo naratra vokatry ny fifandonana. Raha ny vaovao farany vonjimaika azo omaly alina, dia nametra-pialana ny ben’ny tanàna.
Pati
Légende : Feno olona tahaka izao ny arabe omaly !
 

Dans la même rubrique

05-déc-2025

Nisy ny fihaonana teo amin’ny mpitahiry

Card image cap
05-déc-2025

Andrasana ny tohin’ireo afera goavana maro…

Card image cap
05-déc-2025

firehana politika ny adidy ho an’ny firenena»

Card image cap
05-déc-2025

Green Army amin’ny fanamaitsoana an’i Gasikara

Card image cap
05-déc-2025

Olona efa-mianaka no indray maty

Card image cap
05-déc-2025

Na ny trano hiandrasana ny razana aza tsy misy

Card image cap