manokana handamina ny tanàna
Voatendry ary nampahafantarina ny mpiasan'ny Kaominina Ambanivohitra Antsirabe omaly ny Delegasiona manokana hitantana ny tanàna. Andriantomponera Fidinirina no Filoha, Filoha lefitra Voalohany i Andriamaro Daudet Firmin ary Filoha lefitra Faharoa Pastera Razafindrafito Christian. Izy telo lahy ireo no mandrafitra ny delegasiona manokana araka ny fampahafantarana nataon'ny Prefen'Antsirabe. Tsy niandry ela fa omaly ihany, taorian'ny famakiana ny didim-pitondrana fanendrena azy ireo dia niroso avy hatrany tamin'ny famindram-pitantanana teo amin'ny Ben’ny tanàna Mpisolo toerana Rakotondrabe Andrianomanana sy ny filohan'ny delegasiona manokana. Raharaha maika miandry ny PDS ny resaka karaman'ny mpiasa izay nitarika fitokonana tao, eo ny fanalana ny fako, ny fandaminana ny fifamoivoizana. Momba ny karama dia nilaza ny Prefen'Antsirabe fa tsy tokony hanana olana amin'ny fandoavana izany ny Kaominina, ary manana loharanom-bola maro. Betsaka ny zava-nitranga tao Antsirabe vao tonga tamin'izao fanendrena Delegasiona manokana izao. Nametra-pialana ny 11 Mey 2026 ny Ben'ny tanàna tompon-toerana tao, Dr Uno. Nodimandry ny 18 jolay 2026 indray koa ny mpisolo toerana azy vonjimaika, izay Lefitra voalohan'ny Ben'ny tanàna ihany. Nitokona sady nanisy birao ny mpiasa ny Alarobia teo teo. Miandry ny mponina fa mba hitondra ainga vao amin'ny fandaminana ny tanàna ireto Delegasiona manokana ireto. Tsiahivina fa filohan'ny ligin'ny baolina kitra ao Vakinankaratra ity PDS ao Antsirabe ity.
Jean D.
Ireo mpikamban'ny Delegasiona manokana mitantana ny tananan'Antsirabe