airtel

Actualités

08-sept-2026

Kaominina

Ambonivohitra Toliara Voatendry ho PDS i Tondraza Razaha

Sample post image

Voatendry ho Filohan’ny

08-sept-2026

Delegasiona Manokana (PDS) ao Toliara ka mandray ny fitantanana ny Kaominina Atoa Tondraza Razaha. Efa depiote teo aloha ny tenany, tsy vahiny amin’ny raharaha anatin’ity Kaominina ambonivohitra ity izy satria izy no Filohan’ny Filankevitra monisipaly tamin’ny anaran’ny Vondrona Firaisankina. Hanampy azy amin’ny andraikitra vaovao ny filoha lefitra roa, dia i Serge Vital sy Veloson Grégoire Randrianandrasana. Io fanendrena io dia natao taorian’ny fahafatesan’i Jean Rabehaja, ben’ny tanàna voafidy tamin’ny fifidianana monisipaly ny novambra 2024, izay nodimandry tamin’ny volana mey lasa teo, taorian’ny fitsaboana azy tany Inde. Efa ela izy no tsy afaka nitarika ny kaominina noho ny aretina mafy nahazo azy, ka niteraka fahabangana teo amin’ny fitantanana. Ao anatin’ny fiatrehana olana no miditra mandray fitantanana ny kaominina ny PDS vaovao. Anisan’izany ny fitokonana sy ny fitarainan’ny mpiasa momba ny karama, izay isan’ny adidy lehibe miandry an’i Tondraza Razaha. Eo ihany koa ny fanohizana ny asa sy ny tolotra fototra ho an’ny mponina ary ny fampandehanana ara-dalàna ny biraon’ny kaominina,…
Toky R

 

Dans la même rubrique

08-sept-2026

Famatsiam-bola 1,085 miliara dolara

Card image cap
08-sept-2026

tsirairay no tsy hampiverina krizy intsony»

Card image cap
08-sept-2026

Nahazo kits starlink 300 misy

Card image cap
07-sept-2026

demokrasia no tena mipetraka ny kolikoly»

Card image cap
07-sept-2026

Tsy mba miova ny tantara fa ny

Card image cap