sy ny fihavaozana ho an'ny kaominina Ampitatafika distrikan'Atsimondrano. Mihazakazaka ho amin'ny asa fanatsarana ny fiainan'ny mpiara-miasa ao anatin'ny kaominina sy ny mponin'Ampitatafika amin'ny ankapobeny mantsy ny Ben'ny tanôna Rado Ramparaoelina. Taorian'ny nanombohan'ny mpiara-miasa rehetra miasa isaky ny andro Sabotsy mba hanatsarana ny vola miditra dia fantatra fa niakatra nanomboka tamin'ity volana Aprily ity avokoa koa ny tambin-karama raisin'izy ireo isam-bolana. Tafiditra ao anatin'ny fanaovana avokoa izany raha araka ny fanazavan'ity Ben'ny tanàna ity hatrany. Ankoatra izay dia fantatra fa hisokatra ho an'ny mponin'Ampitatafika ihany koa ny asa hatao rehetra etsy amin'ny tanimenabe afaka 3 volana any ho any. Foto-drafitrasa maro ko hatsangana ao an-toerana hahafana mamorona asa ho an'ny tanora. Nohamafisin'ny Ben'ny tanàna Rado Ramparaoelina fa natokana ho an'ny mponin'Ampitatafika ny asa rehetra hoforonina ao an-toerana ankoatra ireo teknisiana ambony manam-pahaizana avy amin'ny Faritra hafa raha tsy maintsy ilaina izany.
Pati
Légende : Rado Ramparaoelina Ben'ny tanànan'ny kaominîna Ampitatafika