Zazalahy kely an-jatony no noforaina maimaimpoana tao amin'ny kaominina Bemasoandro, distrikan'Atsimondrano omaly Alarobia 15 Jona maraina. Vokatry ny ezaky ny solombavambahoaka voafidy tany Atsimondrano Voahangy Ramanarinarivo sy ny Ben'ny tanana Ranitratsilo Jimmy no angady nananana sy vy nahitana izany. Samy mahatsapa mantsy ny roa tonta fa sahirana ny ankamaroan'ny Ray aman-dReny amin'ny fampandehanana ny fiainana ankehitriny. Ny haninko hanina anio tadiavina anio, ny ampitso koa torak'izay. Mila mañana 50.000 Ar anefa raha kely amin'izao vao afaka manao famoran-jaza iray raha ho entina any amin'ny Rain-jaza. Misy mahatratra 400.000 Ar kosa izany raha amin'ny fomba Amerikana tsy mandeha ra eo anivon'ireny tobim-pitsaboana tsy miankina ireny. Ho fanamaivanana ny fahasahiranan'izy ireny no anton'ny hetsika. Tao amin'ny CSB II Ambodiamberivatry no nanaovana ny famorana narahina fanolorana kilalao sy malabary. Tao anatin'ny hafaliana no nandraisan'ireo Ray aman-dReny izany fanampiana natolotry ny kaominina Bemasoandro azy izany.
Pati
Légende : Nandritra ny famoran-jaza natao !