airtel

Actualités

29-août-2022

Actualités

Kaominina Fihaonana Bongolava Niakatra 55.000 Ar ny FIB, nilanja sora-baventy ny mponina

Sample post image

Nitroaka ireo vahoaka ao amin’ny kaominina ambanivohitra Fihaonana, Faritra Bongolava ny faran’ny herinandro teo.

29-août-2022

Tsy zakan’izy ireo intsony mantsy ny fihetsika hataon’ny delegem-panjakana ao an-toerana raha araka ny vaovao. Diso mahazo vahana loatra hoy izy ireo ny fitakiam-bola mihoam-pampana kanefa tsy ahazoana rosia akory. Lasa 55.000 Ar ohatra amin’izao ny FIB raha 50.000 Ar teo aloha nefa tsy misy taratasy mazava akory azon’ilay tompon’omby rehefa mandoa izany. Voalaza ihany koa fa handoavana 3500 Ar ny omby maty iray izay maty ho azy fa tsy narary anefa….Miantso ny Fitondram-panjakana mba hijery akaiky ny zava-misy ao amin’ity kaominina ity araka izany ireo tantsaha mpamokatra any an-toerana. Nomarihin’izy ireo moa fa tsy fidiny ho azy ny tsy hahaizany mikirakira taratasy sy mampihatra ny tena ny lalana marina , antony hisian’ny fanararaotana mihoampampana mahazo azy ireo tahaka izao.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fitokonana nataon’ireo tantsaha nanoloana ny biraon’ny kaominina
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap