Tafiditra tanteraka ao anatin'ny vanim-potoanan'ny maitso ahitra isika ankehitriny. Betsaka ireo kara-zan'entana tsy tazana firy eny an-tsena intsony no sady miaka-bidy vokatry ny ranon'orana tsy miato. Anisan'izany ny harina fandrehitra na saribao izay efa mahatratra 45.000 Ar ny iray gony. Hifampitadiavana ihany koa ny kitay menaka fandrehetana afo. Mikasika ny resaka hazo ihany dia misedra olana koa ireo mpanao fakana sy mpanamboatra trano noho ny tsy fisian'ny akora hampiasaina. Misedra olana toraka ireo mpiompy akoho noho ny tsy fisian'ny taim,-bakona avy amin'ny hazo hampiasaina. Fa anisan'ny nampitaraina ny Renim-pianakaviana ihany koa nanomboka ny herinandro teo ny fidangan'ny vidin'ny savony. Savony novidiana 1300 Ar teo aloha lasa vidiana 1400 Ar ankehitriny. Niaka-bidy ihany koa ireo karazana tsiro fanao amin'ny nahandro, ny paty...Mbola tsy nahitana fiakarany kosa ny vidin'ny menaka sy ny siramamy ary ny fotsim-bary. Tsiahivina moa fa ao anatin'ny an-tanan-dany avokoa ny ankamaroan'ny isan-tokantrano amin'izao. Efa saika miandrandra ny fahatongavan'ny faran'ny volana avokoa ny rehetra, taorian'ny nanamarihana sy nankalazana ny Fetin'ny Noély sy ny taona vaovao 2026. Tsy vitsy araka izany ireo efa tena mihafy fatratra hiatrehana faramparany ity volana Janoary ity.
Pati
Légende : Miaka-bidy avokoa ireo karazana kojakoja fampiasa amin'ny fiainana andavanandro amin'izao !
Miantso vonjy amin’ny fitondràna ireo mponina sy mpiaro zon’olombelona