airtel

Actualités

17-mai-2024

Kolikoly eny anivon’ny fadintseranana

Nanao bemidina koa ny Minisitry ny vola, PAC, Bianco,…

Sample post image

Taorian’ny Minisitry ny filaminana anatiny herinandro latsaka izay nidina teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato,

17-mai-2024

nidina an-tsehatra teny amin’ny biraon’ny Fadintseranana ny alarobia teo ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola Rtoa Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo sy ny Tale Jeneralin’ny Fadintseranana Lainkana Zafivanona Ernest, niaraka tamin’ny solotena avy ao amin’ny Tendrom-pitsarana manokana iadiana amin'ny kolikoly (PAC), Rtoa Rasoahanta Elysée sy ny Birao mahaleo tena miady amin'ny kolikoly (BIANCO), Rtoa Rakotoarisoa Faramalala. Ny vaovao samihafa hita teny amin'ireo tambazotran-tseratserara, indrindra momba ny fomba fiasa eny amin'ny Seranam-piaramanidina no voalaza fa antony, ka nihainoana ny fanazavan’ny mpiara-miasa sy nanomezana toromarika mba hanatsarana ny fomba fiasa. Milaza ny fadintseranana fa horonantsary efa ela ireo isan’ny niteraka resabe mikasika kolikoly, ary efa nandraisana fepetra avokoa ireo izay voakasik’izany. Tokony haneho toetra mendrika ny eo anivon’ny Fadintseranana, satria izy ireo no hitarafan’ny vahiny ny firenentsika, hatsaraina ihany koa ny fampahafantarana ny zo sy adidin’ny mpandeha, raha ny filazan’ny Tale Jeneralin’ny Fadintseranana. Misy ny lamina sy fepetra hapetraka ho fanatsarana ny fomba fiasa, indrindra ho an’ireo mpiara-miasa mandray olona eny amin’ny seranana, sy hamerenana indray ny fitokisana eo anivon’ny Fadintseranana, raha ny filazan’ny Minisitry ny fitantanam-bola. Te haneho ireo manam-pahefana samihafa fa mandray andraikitra taorian’ny toe-javatra maro vaky ambatolampy, ka dia andrasana indray izany ny vokatra eo anatrehan’ny laza ratsy sy fitarainana maro.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap