Teratany Sinoa roalahy voarohirohy amin'ny fividianana vato avy ao anatin'ny faritra arovana Makira any Analanjirofo no voasambotra ny herinandro lasa teo nandritra ny fisafoana nifarimbonan'ny sampan-draharaha miady amin’ny kolikoly sy miady amin’ny fitrandrahana an-tsokosoko ireo harena voajanahary eo anivon'ny Minisiteran'ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy, niaraka tamin’ireo manam-pahefana sy ny mponina tany an-toerana. Tambajotra manohana ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ao amin'ny Faritra arovana Makira izy ireto ary isan’ireo manome vahana ny fanimbana ny harena voajanahary noho ny kolikoly. Natolotra ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly na PAC izy ireo nohon'ny famotsiam-bola sy fanaovana kolikoly izay niampagana azy ireo, ka notanana am-ponja vonjimaika eny amin’ny Fonjaben’i Tsiafahy avy hatrany taorian'ny fanadihadihana.
Jean D.
Namonjy ny volany 100 000Ar, kinanjo natelin’ny rano i Dety