airtel

Actualités

01-juin-2026

Kolonely Randrianirina Michael

«Fifidianana eken’ny rehetra no tanjoko !

Sample post image

Tsy misy valifaty fa manana dosie matoa any am-ponja ! »

01-juin-2026

Miakatra valo volana izao ny fitantanana ary maro ny tsaho sy ny fanontaniana mipetraka ka mila hazavaina hoe taiza sy aiza ary mankaiza isika, hoy ny Filoham-panjakana Randrianirina Michael omaly, tao anatin’ny fandaharana manokana. Nanipika fa ny fanavaozana ny toe-tsaina aloha no fototra satria raha mbola mitoetra ny toe-tsaina tia kolikoly sy fifanenjehana dia tsy hisy fiovana. Ny andrasan’ny rehetra dia fiovan-drafitra sy fiovam-penitra mahery vaika izay tsy maintsy miankina amin’ny fikaonandoham-pirenena. Efa misy dingana mandeha toy ny fanovana tsikelikely sy ny ezaka mamaha ny olan’ny vahoaka hatramin’ny fitakiana tamin’ny septambra 2025. Ny zavatra telo lehibe hatao ao anatin’ny roa taona dia 3 : famaliana ny hetahetam-bahoaka tamin’ny 25 septambra hatramin’ny 14 oktobra 2025, ny fitarihana ny fikaonandoham-pirenena hahafahana mametraka rafitra sy fanapahan-kevitra, ary ny fitantanana mitodika amin’ny fifidianana. Maro ny mitaky fandravana rafitra saingy tsy afaka mandray fanapahan-kevitra samirery ny Filoha ka manaja ny HCC amin’ny maha « pouvoir régulateur » azy. Naneho izy fa miala amin’ny fanomanana ny fikaonandoham-pirenena mba tsy hilazana fa izy no mikarakara azy. Nilaza fa miantoka ny hetahetam-bahoaka ary miaramila ka mifantoka amin’ny iraka ny hitondra amin’ny fifidianana eken’ny rehetra. « Miantoka aho fa tsy misy zavatra nomanina havoaka eo, fa tsy maintsy izay hetahetam-bahoaka. Miaramila ka rehefa omena iraka dia mifantoka amin’iny, ka iraka ny hitondra amin’ny fifidianana eken’ny rehetra. Ny fanapahan-kevitra raisiko hatreto dia tsy misy kajikajy politika ». Nanipika fa tsy misy fanomezana vahana fihaviana, ary taratr’izany ny governemanta. Momba ny filazana fa ireo olona avy eto afovoan-tany hatrany no voahenjika, dia naneho fa misy ny Minisitry ny fitsarana, tsy miditra amin’ny raharaha izy ary ny famotorana no mitondra ny zava-drehetra. Tsy manao valifaty politika ary mbola mampimenomenona ny olona ny hoe mbola ireo no forongony. Tsy misy voakitika ireo mandraharaha amin’ny fahintsiana fa ireo any am-ponja dia manana dosie. Nanamafy fa tsy handroso i Madagasikara raha valifaty politika no atao. Tsy ny antoko politika no mitangorona aminy fa nantsoina hiara-hiasa, ka tsy olona no tokony hatao fahavalo fa ny fahantrana, hoy ny Kolonely Randrianirina Michael.
EZAHANA VAHANA NY OLAM-BAHOAKA
Fitakiana lehibe nataon’ny tanora ny jiro sy rano ka efa mandeha ny ezaka hamahana ny olan’ny delestazy. Nilaza fa tsy dia misy intsony eto Antananarivo fa fahatapahana indraindray noho ny fahanteran’ny fitaovana. Nividy fantsona mitentina 4 miliara Ar ny Fanjakana hanoloana ireo simba. Efa nisy famatsian-drano 22000m3 vita eto Antananarivo ary mbola hisy 20000m3. Mikasika ny autoroute novaina ho « voie rapide » ary tsy avela amin’izao satria avokavok’i ny toekarena i Toamasina. Ny teleferika kosa nangataka fanafoanana ny trosan’i Madagasikara ny Fanjakana satria tsy laharam-pahamehana. Mandeha ny fifampiresahana mikasika ny tetikasa Volobe saingy olana ny ho saran’ny herinaratra. Tsy mamatotra ny Firenena fa miezaka manao fifanarahana amin’ireo ahitana vola na firenena na mpampiasa vola. Nanamafy ny lanjan’ny tanora ka nanipika fa ny fampianarana ambony no antoky ny fanarenana ny Firenena. Notsipihiny fa anatin’ny « monde multipolaire » isika ka misokatra amin’ny rehetra rehefa ahazoana tombontsoa. Misokatra amin’ny mpampiasa vola ao anatin’ny fanajana ny fepetra samihafa, ka tafiditra amin’izany ny tetikasa Vara Mada.Tsy misy fifantohana manokana amin’i Rosia fa ny fitaovam-piadiana eto ohatra betsaka no vita Rosianina. Mbola hisy traktera ho an’ny mpamboly sy fitaovana ho an’ny CSB II,… Nanipika fa tsy misy olona mibaiko azy toy ny nataon-dRavatomanga hoe mandalo aminy ny mpampiasa vola rehetra, ka tsy mahabaiko azy izany i Koufali Daya izany izay hanaovana resabe, raha ny nambarany.
Toky R

 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

Fantantsika hatramin’izay fa ny

Card image cap
05-juin-2026

HCC raha mikotrika fanongam-panjakana"

Card image cap
05-juin-2026

ny asa no ifampitsarana!"

Card image cap
05-juin-2026

Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy

Card image cap
05-juin-2026

mifototra amin’ny fahitsiana no tanjona

Card image cap
05-juin-2026

kolikoly amin'ny fampianarana

Card image cap