airtel

Actualités

01-juil-2026

Kolonely Randrianirina Michael

Ho an’ny Malagasy ny

Sample post image

fikaonandoham-pirenena, nanao ratsy matoa nitsoaka ! »

01-juil-2026

Vonona ny Fitondram-panjakana hiara-hiasa amin'ny SADC amin'ny famahana ny olana raha misy moa ny olana, fa ny fiainana dia mandeha tsara eto Madagasikara. Ny andrim-panjakana dia manohy ny asany ka tsy misy olana eto Madagasikara raha ny fahitana azy. », hoy ny Filohan’ny Fanavaozana Kolonely Randrianirina Michael mikasika ny fehin-kevitry ny SADC. Vonona ihany koa hiara-hiasa amin'ny firosoana makany amin'ny fifidianana. Nomarihiny ilay resaka « inclusivité » mikasika ny fikaonandoham-pirenena. « Mazava ny fepetra, fa ny fampandraisana anjara rehetra ny eto Madagasikara : antoko politika tsy ankanavaka na ny mpanohitra aza, ny vehivavy, ny fikambanana samihafa, tontolo ambanivohitra, hoy ny fanazavany. « Natokana ho an’ny Malagasy io fa tsy ho an’olona avy any ivelany, tsy ho an’ny olona ho an’ny tsy Malagasy. Mazava angamba ny tiako ho tenenina fa Malagasy no mandray anjara fa tsy misy olona tsy eritreretina tsy ho Malagasy », hoy hatrany izy izay na tsy niteny mivantana aza dia i Andry Rajoelina izay nanamaivana sy nihantsy ny SADC tany amin’ny 2009 saingy miantso vonjy any amin’io rafitra io ankehitriny no tiany resahana. Ity farany izay efa nesorin’ny Fanjakana fanavaozana ny zom-pirenena maha-Malagasy azy noho ny fiovany zom-pirenena Frantsay. Mikasika an’ireo hoe sesintany politika, dia « tsy nisy nanenjika mpanao politika teto, fa ny zavatra nisy teto raha ny asa nataon’ny Fitsarana raha ny fahitako azy dia : olona nangalatra,nanodinkodina volam-njakana,nampahantra ny Fienena, nivarotra ny harem-pirenena,… no nenjehin’ny Fanjakana Tsy nisy fanenjehana teto, fa ireo olona ireo no nitsoaka, ary matoa nitsoaka dia nisy ratsy nataony teto, tsy manakana an-dry zareo hiverina, fa ny Fanjakana Malagasykosa dia manenjika ny olona nanodikondina ny volam-panjakana sy ny harem-pirenena», hoy hatrany ny PRRM.. Nanamafy ny Paraiminisitra Mamitiana Rajaonarison, fa tsy misy gadra politika eto, fa olona nanao fandikan-dalàna avokoa ireo migadra. Mahaleotena, hoy izy ny Fitsarana, ary tsy mitsabaka amin’izany ny goverenemanta. Nisy moa ny fanamafisana sy fanazavana nentin’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny mikasika io fehin-kevitra io sy ny fifandraisantsika amin’ny SADC izay nanehoana fa vonona hanohana ny fanavaozana efa natombok’i Madagasikara ireo Filoham-pirenena ao amin’ny SADC, ary manampy an’i Madagasikara ara-teknika sy politika irosoana amin’izany. Notsiahivina fa ireo olona voatazona am-ponja dia noho ny heloka fa tsy noho ny antony politika, ary nomarihina fa efa voasoratra anatin’ny tatitra nataon’ireo iraka 3 teto Madagasikara izany.
Toky R

 

Dans la même rubrique