airtel

Actualités

29-août-2022

Actualités

Kopia sy karapanondro Hirosoana ny fanomezana azy maimaimpoana

Sample post image

Ny kopia mari-pahaterahana sy ny karapanondro no maha-olombelona ny olona iray. Hahafahan’izy ireny misitraka ny zony mantsy ny fananany izany nefa mbola marobe amin’ireo mponina eto amintsika no tsy manana izany.

29-août-2022

Mba hahafahana mamaha ny olana ary dia fantatra fa hiroso amin’ny fanomezana kopia mari-pahaterahana sy karapanondrom-pirenena maimaim-poana ho an’ireo olona tokony hanana izany ny Fitondram-panjakana. Nivoitra izany nandritra ny fitsidihana nataon’ny Minisitry ny Ati-tany Atoa Tokely Justin tany amin’iny Faritra Bongolava iny ny faran’ny herinandro teo. Nambarany tamin’izany fa tsy hisy vola aloha ny fanaovana izany na Ariary aza. Anjaran’ny Fokontany sy ny kaominina hoy izy no manentana ireo mponina ao aminy mbola tsy manana izany mba hanatona avy hatrany ireo tompon’andraikitra eny ifotony. Tsiahivina moa fa ankoatra ireo vehivavy miteraka any amin’ny Renin-jaza dia anisan’ny sakana tsy hananan’ireo ankizikely marobe eto amintsika kopia mari-pahaterahana ny tahotr’ireo Ray aman-dReny manatona biraom-panjakana. Anisan’ny antony mahavitsy ireo ankizy tafiditra an-tsekoly ihany koa araka izany io tsy fananana kopia mari-pahaterahana io. Ho an’ny kara-panondrom-pirenena kosa indray izay natokana ho an’ireo efa feno 18 taona dia fantatra fa ny mba hahafahan’izy ireo mandray anjara feno amin’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena hotanterahina amin’ny taona 2023 io no antony manosika mafy ny Fitondram-panjakana hijery azy ireny manokana. Tsiahivina moa fa handoavana 2.000 Ar ny manamboatra kopia mari-pahaterahana eto amintsika. 1.000 Ar aloha mialohan’ny hanamboarana azy, 1.000 Ar aloha rehefa maka izany, afaka 10 na 14 andro eo ho eo.
Pati
Legende : Efa manao ihany ny eny anivon’ny kaominina saingy tsy maharaka
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap