airtel

Actualités

15-déc-2023

Ladoany sy ny tafika

Hanangana Akademian’ny Ladoany sy Sekolin’ny Etamazaoro

Sample post image

Tontosa omaly alakamisy 14 desambra 2023 teny amin’ny Minisiteran’ny fiarovam-pirenena

15-déc-2023

etsy Amparibe ny fanaovan-tsonia ny fifanaraham-piaraha-miasa eo anivon’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena sy ny Fadintseranana Malagasy. Mivoitra ao anatin’izany fa hisy ny fanorenana ny « Academie des Douanes » na Akademian’ny Fadin-tseranana hatsangana ao Toamasina ary «Ecole d’Etat-Major » na Sekolin’ny Etamazaoro kosa ho an’ny eto Antananarivo. Hiara-hisalahy amin’ny fanatanterahana izany ny roa tonta. Zava-dehibe ho an’ny roa tonta ireo ny fametrahana izao fotodrafitrasa izao satria hanankinana ny fanatsarana ny fanofanana ireo mpiara-miasa ankehitriny sy ny ho avy », hoy ny Jeneraly Josoa Rakotoarijaona, Minisitry ny Fiarovam-pirenena. « Tafiditra ao anatin’ny drafi-panavaozana eo anivon’ny Fadintseranana ny fanorenana ity toeram-panofanana manara-penitra ity », hoy kosa i Lainkana Zafivanona Ernest, Tale Jeneralin’ny Fadintseranana. Hanomboka ny taona 2024 ny asa ary vinanina ho tokanana ny 2026 ny « Académie des Douanes », hoy ny fampitam-baovao.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap