airtel

Actualités

23-mai-2024

Lahilahy nanolana an-janany 13 taona

Mbola tratra nihidy tao an-trano izy mianaka

Sample post image

Raim-pianakaviana iray mitaiza ny zanany vavy vao 13 taona miaraka amin'ny vadiny,

23-mai-2024

izay tsy reny niteraka ilay zanany no nanolana ity zaza ity tao Ambohimandamina, Mahajanga, ka naiditra am-ponja vonjimaika, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Efa elaela no nanaovany izany herisetra izany saingy norahonany tsy hiantohany fianarana intsony ilay zanany raha mitantara ny zavatra ataon'izy ireo, hoy ny fanazavana. Nisy fotoana efa niresaka ny zava-misy tamin'ilay renikeliny ilay zaza saingy tsy nino izany ilay ramatoa. Niha nihombo hatrany ny filan-dratsin'ilay raim-pianakaviana ka notantarain'ilay zaza tany amin'ny renibeny ilay tranga. Io renibeny io no nampilaza ny mpitandro ny filamianana ka mbola tratra nihidy tao an-trano izy mianaka tamin'ny fotoana nahatongavan'ny polisy tany an-toerana, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-janv-2025

Goavana ny fanarenana miandry, raha ny toekarem-pirenena eto Madagasikara no asiana resaka.

Card image cap
16-janv-2025

Nipoitra indray ny Kolonely Charles Andrianasoavina izay isan’ny nanamarika ny tantara tamin’ny 2009

Card image cap
16-janv-2025

Nanomboka ny alatsinainy 13 ka nifarana ny alarobia 15 janoary 2025 tao amin’ny trano fivorian’ny Minisiteran’ny

Card image cap
15-janv-2025

Samy velom-panontaniana ny mpanara-baovao tato anatin’ny herinandro izay manoloana ireo

Card image cap
15-janv-2025

Niparitaka nanomboka omaly ny didy fampikarohana an’i Bekasy Johnfrince. Karohin'ny polisin'ny

Card image cap
15-janv-2025

Raim-pianakaviana iray antsoina hoe Hery na Iaban’i Sarah no namoy ny ainy tao amin'ny Kaominina Ranotsara

Card image cap