airtel

Actualités

15-mai-2024

Lalàna momba ny famosirana

Tsy ankasitrahan’ny katolika

Sample post image

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

15-mai-2024

mpanolana sy ny fampirisihana ny fandrindram-piterahana eto amintsika. Manaiky io fiangonana io, fa heloka be vava ny fanolanana na ny fanararaotana amin’ny endriny hafa; ary manameloka tanteraka an’izany ny Eglizy, miombom-po sy mankahery ireo niharan’ny fanolanana; ary mitaky ny fiahiana manokana an’ireo voaolana. Raha ny lalàna efa nisy anefa no nampiharina ara-drariny sy itovizan’ny rehetra, ka nanasaziana ireo nanao heloka, dia tsy ho tonga amin’ity lalàna hafahafa ity isika. Tena vahaolana hahafoana ny fanolanana ve izany? Hoy ny Fivondronamben’ny Eveka. Amin’ny katolika dia mifanohitra amin’ny hasina maha-olona ny fampijaliana ampiasana herisetraka, ary miray feo amin’izany ny fampianaran’ny Eglizy na ny fanambarana ny zon’olombelona, na ny lalàna misy eto Madagasikara. Masina ny vatan’olombelona amin’ny maha-asan-tanan’Andriamanitra azy ary efa navotan’i Kristy, ka tsy misy manam-pahefana aminy, na dia ny lalàna aza, hoy ny fanambarana. Mbola nohamafisina aza fa ny olombelona manao ny lalàna manohintohina ny vatan’olombelona dia te haka ny toeran’Andriamanitra. Noho izany, nohamafisina fa fandrindram-piterahana ara-boajanahary no mifanaraka amin’ny fampianaran’ny Eglizy katolika, satria manaja ny hasina maha olona. Ampirisihin’ny Eglizy ny fampiofanana sy fanabeazana momba azy io. Hanao ahoana ny ho fandraisan’ny fitondram-panjakana ny fanambaran’ny katolika ? Hisafidy ny hangina sa hitondra setriny satria fanambarana na fanehoan-kevitra tahaka izao ihany no na nangatahana ny fanoloana ny Ambasadaoron’ny Vondrona Eorpeanina fa ny an’ity farany niainga tamin’ny lalàna sy fifanarahana iraisam-pirenena fa ny an’ny katolika nitodika tamin’ny finoana? Hosokajiana ho manohintohina ny fiandrianam-pirenena ihany koa ve ny katolika ?
Toky R
Sary fanehoana

 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap