airtel

Actualités

08-sept-2026

Lasa adala nivadihan'ny ody

Voasambotry ny polisy i Jôda

Sample post image

Efa voasambotry ny

08-sept-2026

polisim-pirenena i Jôda, ilay lehilahy nalaza ho nivadihan'ny ody ratsiny ka lasa adala ao Mahajanga ao, raha ny fampitàm-baovao. Efa nalefa any Androva izy, hoy ny fanazavàna. Efa nisy ihany koa ny fifampiresahana tamin’ny reniny ary misaotra ireo olona tsara sitrapo izay efa nanampy tamin’ny fitsaboana azy, hoy hatrany ny fampitàm-baovao voaray. Tsiahivina moa fa niainga tamina fihetsika maharikoriko dia ny fanosorana maloto vavam-paompin-drano iombonana no nampiakatra ny hatezeran'ny olona tamin'ity adala ity voalohany. Nitohy tamin'ny filanjany antsibe nanenjehany olona eran'ny tanàna izany avy eo ka dia tsy maintsy nirosoana haingana izao fisamborana an'i Joda izao, raha ny fanazavàna voaray hatrany.
Nangonin'i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

08-sept-2026

Famatsiam-bola 1,085 miliara dolara

Card image cap
08-sept-2026

tsirairay no tsy hampiverina krizy intsony»

Card image cap
08-sept-2026

Nahazo kits starlink 300 misy

Card image cap
07-sept-2026

demokrasia no tena mipetraka ny kolikoly»

Card image cap
07-sept-2026

Tsy mba miova ny tantara fa ny

Card image cap