ny émetteur-ny Real TV eny Ambohimitsimbina, hoy io fahitalavitra io omaly maraina. Nofonosina fotoka ny fanalahidy elektronika misy « alarme » mba tsy haneno ka ny « onduleur » manodina ny « emetteur » no nalain’izy ireo. Taorian’ny nijanonan’ny antenne tamin’ny 12 ora alina, ka iny hamerina ny « antenne » androany tamin’ny 5 ora maraina iny ny teknisiana no nahita fa tsy mandeha ny Real TV, raha ny fanazavana. Rehefa niakatra teny Ambohimitsimbina ny teknisiana no nahita fa nisy namaky ny trano misy ny émetteur. Nomarihana fa tsy azo idirana eny amin’ny « site » Ambohimitsimbina raha tsy mahazo alalana avy amin’ny DIT, sampan-draharaha ao amin’ny ORTM, eo anivon’ny Ministeran’ny Serasera. Toerana misy mpitandro ny filaminana miambina andro aman’alina eny amin’ny « site " ka tsy azon’iza n’iza hidirana ary tsy maintsy maka alalana izay vao afaka miditra amin’ny toerana ka nametra-panontaniana mikasika ny tranga ny mpitantana ny Real TV. Tsy afaka nidirana hatramin’ny 12 ora atoandro. Naka vadin-tany nanamarina ny zava-nisy io fahitalavitra io, narahin’ny fitsirihan’ny manam-pahefana nanao fanadihadiana, ka nahitana ny fiovan’ny toeran’ny fitaovana sasany sy ny fahaverezan’ny « onduleur »,… Afaka niverina nandeha ihany moa io fahitalavitra io omaly hariva rehefa nandeha ny famahana ny olana. Ao anatin’ny toe-draharaha mafampana no miseho ka resaka halatra tsotra sa gafy politika no miseho ? Andrasana ny tohiny !
Toky R
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny
Niteraka fahasahiranana tamin’ny mpampiasa vola maro, na ireo mpanjifa io,
Tena mbola ambany ny tahan’ny fanjifan’ny Malagasy ny akoho sy ny akoho eto amintsika.
Tsy ampy 240.000 taonina isan-taona ny vokatra katsaka eto Madagasikara.
Tena nandeha ny tsenan’ny mofomamy ny faran’ny herinandro teo teto