airtel

Actualités

11-mars-2024

Lehilahy miisa 5 nila ady

Nahafaty olona tamin’ny lefona

Sample post image

Resaka fialonana no nitarika lehilahy miisa 5 nila ady tamina mpirahalahy

11-mars-2024

tany Ankilimidega/Anja, kaominin'i Ejeda, distrikan'Ampanihy Andrefana, ny talata 5 marsa teo, hoy ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo. Notsatohan'izy ireo lefona ny iray. Nitsofoka teo amin'ny heliny havanana ary nipoitra teo amin'ny ilan-kibony havia ilay zava-maranitra. Tsy tana ny ainy. Ny rahalahiny kosa voa teo amin'ny lohany. Velon'aina! Ny zava-misy dia mpivarotra hazo fanamboarana vata-paty io namoy ny ainy io ary mahalafo hazo betsaka tokoa. Nialona azy noho io fivelomany hita fa mivoatra io ireo 5 lahy ka izay no nanaperan'izy ireo ny ainy. Nandositra izy ireo rehefa nahavita ny asa ratsiny. Nanokatra fanadihadiana ny zandary, raha ny fampitam-baovao voaray farany hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap