airtel

Actualités

04-mai-2023

Actualités

Lehilahy nonina tetsy Ambaninampamarinana Nolazaina fa mpangalatra, nariana faty tany Manjakandriana

Sample post image

Raim-pianakaviana iray nonina teny Ambaninampamarinana no voalaza fa nisy namono tamin'ny fomba feno habibiana tamin'ny faran'ny herinandro teo ary nariana faty any Manjakandriana.

04-mai-2023

Raha araka ny loharanom-baovao voaray dia nisy andian'olona tonga tao amin'ny fianakavian'ity lehilahy teny Amparibe nisambotra azy. Voatondro ho nangalatra finday mantsy izy ka tratry ny daroka mandrivorivo. Notorahim-bato sy nitenenan-dratsy ihany koa no sady novelesina tamin'ny vato. Maty vokatr'izany io Raim-pianakaviana io. Tsy nahitana ilay finday voalaza fa very anefa tany aminy. Raha araka ny loharanom-baovao azo hatrany dia nantsentsina tao anaty fiara fitaomana entana ny razana ary nariana tany Manjakandriana. Raha araka ny fantatra hatrany moa dia olona mpanao haiady avy any Manjakandriana no nahavita namono an'Itompokolahy. Karazan'irony lonilony irony araka izany no antony namonoana ity tovolahy ity raha ny fijerin'ny manodidina azy. Manao antso avo ny amin'ny hamoahana ny marina mikasika ity raharaha ity araka izany ny fianakavian'ny maty.
Nangonin'i Pati
 

Dans la même rubrique

22-sept-2023

Namoahana fanairana na "Alerte orange" ny tafika, raha ny taratasy miparitaka eny amin’ny tambajotran-tserasera,

Card image cap
22-sept-2023

Nohavaozina tanteraka ny biraon’ny kaominina Ambohidrapeto, distrikan’Atsimondrano.

Card image cap
22-sept-2023

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany amin’ny distrikan’i Sambava roa volana lasa izay.

Card image cap
22-sept-2023

Lehilahy roa 43 sy 54 taona no nidoboka am-ponja rehefa tratra teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ,

Card image cap
22-sept-2023

Mitombo ny isan'ireo teratany vahiny hita ho mifampizara tsena amin'ny mpivarotra amoron-dàlana tato ho ato, raha ny vaovao niparitaka omaly.

Card image cap
22-sept-2023

Tsy mifidy tany ny fahaizana manazatra ny baolina kitra! Tena mamiratra any Seychelles i Tsiahavahana Solofo Ramarolahy.

Card image cap