airtel

Actualités

19-juin-2026

Lesoka ny ny tsy

fanomezan-danja ny teknisianina

Sample post image

Haverina ny lanjan’ny fampianarana teknika », hoy ny Minisitra Todisoa

19-juin-2026

Mahatratra 75000 ny mpiadina mifaninana hiditra taona voalohany amin’ny lisea teknika manerana ny Nosy. Nisy fitomboana 14% io mitaha ny tamin’ny taon-dasa, izay maneho fa mitombo ny tanora liana sy mitodika amin’ny fampianarana teknika sy fanofanana arak’asa. « Nitombo be ny isan’ny tanora manam-paniriana hiditra amin’ny sekoly teknika satria tsapan’ny Ray aman-dReny ny finiavan’ny fitondram-panjakana hanome lanja sy laharam-pahahemana ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa », hoy ny Minisitry ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa Dr Todisoa Andriampandry. Nahitsy izy, nilaza fa raha te handroso sy ho vanona ny Firenena dia isan’ny tokony omena sehatra io, ka tonga ny fotoana ivelarana amin’izany. « Haverina amin’ny lanjany ny mpianatry ny lisea teknika ary matoa hatramin’izay ny firenentsika sahirana dia tsy nomena lanja ny teknisianina », hoy izy, izay nanamarika fa hatramin’izay dia namolavola tanora sangany ny lisea teknika satria fifaninanana no nidirana tao. Nanipika ity Minisitra ity fa : 750000 latsaka ny mpanala fanadinana, ka noho ny fotodrafitrasa izay tsy ampy dia eo amin’ny 40 000 ihany no raisina. Mampalahelo ny ankizy satria amin’ny maha « concours » dia izay naoty ambony ny raisina, na mahazo « moyenne » aza dia mety ho tsy voaray noho ny fotodrafitrasa ka izay no mahatonga ny Minisitera mandresy lahatra ireo mpamatsy vola hafa satria tsy haharaka an’izay mihitsy ny tetibola. Manao ny ezaka ny Minisitera mba hampitombo ny fotodrafitrasa mba hahafahan’ny ankizy sy tanora Malagasy mianatra amin’ny Ivon-toeram-panofanana arak’asa na lisea teknika ka hanamafisana ny antso amin’ny mpiara-miombon’antoka sy ny mpamatsy vola, raha ny nambarany. Namafisina fa hatsaraina ny kalitaon’ny fampianarana, hatsaraina ny fitaovana mba ho maoderina sy hifanaraka amin’ny filan’ny asa. «Raha tiana ny hampihena ny tsy fananan’asa dia mila tohanana ny fampianarana teknika sy fanofanana arak’asa, ka hotarihina hamorona asa fa tsy ho mpiasan’olona hatrany ny tanora », hoy hatrany ny Minisitra Todisoa Andriamampandry. Izany ihany koa anefa no manosika ny Minisitera hitady làlana samihafa amin’ny mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny, ny mpamatsy vola sy orinasa tsy miankina izay tena manohana satria tsy vitan’ny Fanjakana irery ny asa.
Toky R

 

Dans la même rubrique

19-juin-2026

no tsy manao ezaka mianatra»

Card image cap
19-juin-2026

lehibe ny tananan'i Talatamaty

Card image cap
19-juin-2026

nalentiny tao anaty rano ny zanany

Card image cap
18-juin-2026

manoloana ny raharaha Iran sy Etazonia

Card image cap
18-juin-2026

Lehilahy iray mpanao saribao naiditra am-ponja vonjimaika

Card image cap
18-juin-2026

mahazo 225 tapitrisa Ariary eo

Card image cap