airtel

Actualités

10-oct-2025

LOLA

Ity fitondrana ity no tena tompon-daka amin'ny fanaovan-dratsy

Sample post image

Nivoaka tamin'ny fahanginana ny mpanankato Lola

10-oct-2025

manoloana ny zava-misy iainan'ny Firenena ankehitriny. Nambarany fa samy nangalatra sy nandroba avokoa ny mpitondra rehetra nandalo teto hatramin'izay saingy ity Fitondrana Rajoelina ity no tena mitana ny laharana voalohany amin'ny fanaovan-dratsy rehetra. Efa ho iray volana izao raha tsiahivina no tsy maha eto an-tanindrazana an'i Lola fa any am-pitandranomasina any manatanteraka ilay Tour de l'Europe noho ny tsingerin-taona faha-25 n'ny tarika. Tsy manadino ny mpiray Tanindrazana araka izany ny tenany fa miombom-po feno amin'ny vahoaka Malagasy no sady mankahery. Tsiahivina fa mbola hanatanteraka fampisehoana ao Belgique ny mpanankato Lola ny datin'ny 14 Oktobra ho avy izao. Ny 13 Septambra lasa teo kosa no nisantarany izany tao Allemagne.
Pati
Légende : Lola, manan-kery hatrany ny mpiray Tanindrazana ny amin'ny tolona tsy maintsy hatrehina !
 

Dans la même rubrique

05-déc-2025

Nisy ny fihaonana teo amin’ny mpitahiry

Card image cap
05-déc-2025

Andrasana ny tohin’ireo afera goavana maro…

Card image cap
05-déc-2025

firehana politika ny adidy ho an’ny firenena»

Card image cap
05-déc-2025

Green Army amin’ny fanamaitsoana an’i Gasikara

Card image cap
05-déc-2025

Olona efa-mianaka no indray maty

Card image cap
05-déc-2025

Na ny trano hiandrasana ny razana aza tsy misy

Card image cap