airtel

Actualités

20-juil-2026

Lylyson René de Rolland

"Tsy maintsy hovahana avokoa ny olana ara-tany"

Sample post image

Nambaran'ny Minisitry ny Fanjariana

20-juil-2026

ny Tany sy ny Raharahan-tany, Jeneraly Lylyson René de Rolland, ny sabotsy teo tany Ambatoloana fa : « Ny maha Fanjakana ny Fanjakana dia ny vahoaka, ka izay tombotsoan’ny vahoaka ihany no fantatry ny Fitondrana Fanavaozana ». Noho izany hoy izy, ny ODOC izay hokarakaraina amin’ny toerana « Durand de Villaine III », mirefy 1 652 Ha, eo Ambatoloana dia efa tapaka tamin’ny didim-panjakana 2026/1375 tamin’ny Filankevitry ny Minisitra ny 02 jolay 2026. Tamin’izay fotoana izay no nolazaina fa haverina amin’ny vahoaka nanajary azy ny taniny. Nanomboka ny faran'ny herinandro teo arak’izany ny fandrefesana ny tany sy ny fanaovana tsato-bato, ary rehefa vita izay dia hisitraka izany izy ireo amin’ny alalan’ny fahazoana titra. Nohamafisin'ny minisitra ho fantatr’ireo vahoaka fa lany teo anivon’ny Antenimierampirenena ny famerenana ny tanin’ny mpanjanan-tany amin’ny Fanjakana Malagasy. Ary hamoraina ny fahazoana izany : 5Ar ny 1 metatra tora-droa raha eny amin’ny Kaominina Ambanivohitra.Efa fantatra ny olana ara-tany mahazo ny vahoaka ary tsy maintsy hovahana avokoa izany, hoy ny minisitra Lylyson René de Rolland. Adidi’ny Fanjakana no miaro ny Vahoaka amin’ny taniny rehefa ara-dalàna sy ara-drariny izany. Nampitandrina kosa izy fa efa manao fitsirihana ny fitondram-panjakana ka ho voasazy sy hoalana amin’ny taniny ireo izay mpangalatra tany. Marihina fa tena maro ireo tambazotra efa mahavita antontan-taratasy sandoka, ary misy ireo goaikabe mpangalatra tany, izay tena manabotry vahoaka hoy hatrany izy.

 

Momba ilay raharaha fanotorana tany teny amin'ny By pass kosa dia nambaran'ny minisitra fa efa eo am-pelatanan’ny manam-pahefana ny raharaha ka tsy maintsy hivoaka ny marina. Efa voarain’ny Filohan’ny Fanavaozana avokoa ireo antontan-taratasy (dossiers) mahakasika ny tompon’ny tany sy ireo fiarabe mpitatitra tany.
Nangonin'i RTT
 

Dans la même rubrique