no kandida natolotry ny Filoha Amerikanina Donald Trump ho ambasadaoro vaovao eto Madagasikara. Na izany aza, mbola miandry fanamafisana avy amin’ny Antenimieran-doholona amerikana ny fanendrena sy ny fahatongavany eto amin’ny Firenena. Marc Dillard dia isan’ny Senior Foreign Service, manana laharana Minister-Counselor, ary efa niasa tao amin’ny Departemantan’ny Fanjakana amerikana nandritra ny telopolo taona mahery. Tao Nairobi, Kenya, izy no Deputy Chief of Mission ary taty aoriana lasa chargé d’affaires a.i. teo anelanelan’ny taona 2022 ka hatramin’ny Jolay 2025. Ankoatra izany, efa niasa tany Budapest (Hongria), Kinshasa (RDC), Lilongwe (Malawi), Tokyo (Japana), Seoul (Korea Atsimo), ary Sofia (Bulgarie). Tao Washington indray, izy no nitantana birao iray misahana ny politika ara-toekarena sy ny « diplomatie publique ». Ny fanendrena azy dia tafiditra ao anatin’ny lisitra lava navoakan’ny Fanjakana amerikana tamin’ny faran’ny herinandro, izay ahitana kandidà ho ambasadaoro amin’ny firenena maro maneran-tany. Araka ny rafitra any Etazonia, ny filoha no manendry ambasadaoro, saingy tsy maintsy mahazo fankatoavana avy amin’ny Antenimierandoholona izany. Alohan’ny latsa-bato, ny Kaomisionina misahana ny fifandraisana ivelany no mandinika ny kandidà, ary mety hanao fihainoana ampahibemaso. Raha mankasitraka ny fanendrena ny komisiona, dia entina eo anivon’ny Antenimierandoholona manontolo ny fanapahan-kevitra. Heverina fa isan’ny hifantohan’ny mason’ny mpanara-baovao sy ny mpanara-maso ara-politika eto Madagasikara ny dingana manaraka, satria ny fahatongavan’i Marc Dillard dia mety hitondra endrika vaovao eo amin’ny fifandraisana ara-diplomatika sy ara-toekarena eo amin’i Madagasikara sy Etazonia. Hatreto, mpiraki-draharaha vaovao no miasa eto dia Rtoa Melanie Harris Higgins, nisolo an’i Stephanie Arnold izay nitana io andraikitra io nandritra ny telo taona. Andrasana izany ity ambasadaoro ity taorian’ny nandehanan-dRtoa Claire Pierangelo tamin’ity taona ity. Isika izay tsiahivina fa anisan’ireo Firenena 13 nampodian’ny Filoha Amerikanina Donald Trump ny ambasadaoro teto. Nanomboka ny 1 Aogositra 2026 ihany koa, ny fangatahana visa amerikana dia tsy ho tantanin’ny ambasady eto Antananarivo intsony fa nafindra any amin’ny « Centre consulaire régional des États-Unis » any Johannesburg, Afrika Atsimo. Fanapahan-kevitra tafiditra ao anatin’ny fandaminana vaovao ataon’ny Departemantan’ny Fanjakana amerikana, izay hanangona ny fangatahana visa avy amin’ny ambasady 25 manerana an’i Afrika. Ny fangatahana visa, na ho an’ny « non-immigrant » na « immigrant », dia tsy maintsy atao mivantana amin’ny foibe konsiliera ao Johannesburg, miaraka amin’ny fandoavana ny saram-pangatahana sy ny famandrihana fotoana. Irariana hotanteraka ny fahatongavan’ny ambasadaoro vaovao, ary iriana mba hiteraka fanamorana kokoa sy fiaraha-miasa amin’ny endriny maro.
Toky R