airtel

Actualités

10-sept-2026

Mafana ny raharaha

« Parcage » ao Port Bergé

Sample post image

Miahiahy sy miampanga olom-boafidy TGV ireo voakasika

10-sept-2026

Misy fikasan-dratsy hibodo tanim-panjakana eto an-toerana, mbola manohy ny fomba ratsy efa nahazatra azy hatrizay mandravandrava tanim-panjakana, ka tsy manaiky ny tsindry ataon’ny olom-boafidy iray lany tamin’ny anaran’ny TGV ny vahoaka. Herinandro lasa izay no efa nitokona tsy hiala toerana izay ambarany fa fivelomany hatramin’izay ka hatramin’izao. Hoesorina eo ireo vahoaka dia omena an’iza ilay toerana avy eo ? Efa mandeha ny feo fao omena ny zanak’ilay olom-boafidy mba hoanaovana tsena lehibe « Grand surface » kanefa ny mpivarotra madinika tsy misy toerana hivaratona, ka antony mahatonga ny fanoherana. Efa Tampitra voazaran’ireo akaiky io olom-boafidy io ihany koa mantsy ireo « pavillons » izay any amin’ny gare routière, voalaza fa namboarina tamin’ny volan’ny CIAD (Ny CIAD (Crédit d’investissement destiné à l’appui au développement) roa mifanesy ity ; vola CIAD taona 2025 sy taona 2026 izay samy nolaniana tamin’ny fanaovana Gare Routière petatoko tsy mifanaraka amin’ny vola 500.000.000Ar izay CIAD in-droa nifanesy izay, hoy ny fanambarana. Milaza tsy hanaiky hiala mora ny mpivarotra madiniky, raha tsy misy fifanarahana tena mazava momba ilay hanaovana io tanim-panjakana io, ary tsy matoky an’ilay olom-boafidy intsony, hoy hatrany ny filazana. Omaly alarobia, nitokona tsy niasa, tsy nandefa olona ny mpiasan’ny « parcage » Port Bergé, ary milaza tsy andefa olona na entana ny zotra nasionaly sy rejionaly raha ny nambaran’izy ireo. Tsy hiala eto an-toerana izahay, hoy ireo mpanao fihetsiketsehana. Efa im-piry no nafindrafindra ny Parcage teto ? Ny trano mijoalajoala eo akaikin’ny tranom-ponolona izao « parcage » taloha, ekenay fa tsara ny « parcage » vaovao, fa ny sarany sarany tsy zakanay, ary tsy mazava aminay ny taratasy hoe tanin-jovy ? Ho ambaranay vahoaka eto ny taratasy mahakasika io tany io fa tsy misy tompony io tany hanaovana « parcage » vaovao io, hoy ireo olona manohitra ny ambaran’izy ireo fa tsy rariny, izay milaza fa tsy misy ambadika politika ny fitakian’izy ireo. Asa izay ho setriny avy amin’ny ankilany ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

10-sept-2026

tokony hahintsy ny fifidianana!»

Card image cap
10-sept-2026

ny volan’ny orinasan-dRajoelina

Card image cap
10-sept-2026

Niseho tamin’ny alalan’ny « visioconférence »

Card image cap
10-sept-2026

Hovitaina mialohan'ny faran'ny taona

Card image cap
09-sept-2026

rano fisotro madio tsy tapaka ny fanjakana

Card image cap
09-sept-2026

andrasana anio tohiny…

Card image cap