airtel

Actualités

21-févr-2024

Maintirano

Zazavavy vao 03 taona naolana lehilahy 30 taona

Sample post image

Lehilahy iray indray no tratra nanolana zazavavikely vao 03 taona monja

21-févr-2024

tany amin’ny distrikan’i Maintirano tany, Faritra Melaky tamin’ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny vaovao azo dia namonjy fiandrasam-paty tao Morima Betanatanana ity lehilahy nahavanon-doza ity tamin'ny Zoma lasa teo tokony ho tamin'ny 6 ora hariva. Nisotrosotro ny anaolahy nandritra izany hoy ny vaovao ka nihetsika ny filan-dratsiny. Nilaza ho mamo diso tafahoatra mihitsy aza izy raha araka ny fanazavany, antony nanosika azy hanolana ilay zanak’olona vao 03 taona monja tsy mbola mahalala na inona na inona. Voatery tsaboina ao Maintirano mihitsy moa ilay zaza noho ny fahasimban’ny taovam-pananahany raha efa niatrika famotorana mpanao ratsy ka fantatra fa efa naiditra am-ponja vonjy maika. Miantso ny hanafainganana ny fampiharana ny lalana velona mikasika ireo olona mpanolana eto amintsika ny fiaraha-monina manoloana izany. Saika nahatsikaritra avokoa mantsy ny rehetra fa toa mitaredretra ny fanjakana amin’ny fampiharana izany nefa ireo mpanolana tsy mitsahatra ny manao ny hataony. Miisa 03 moa raha kely nanomboka ny faran’ny herinandro teo ireo zaza voalana teto amintsika nahazoam-baovao.
Pati
Legende : Ity ilay tsy mataho-tody nanolana zaza 03 taona !

 

Dans la même rubrique

16-janv-2025

Goavana ny fanarenana miandry, raha ny toekarem-pirenena eto Madagasikara no asiana resaka.

Card image cap
16-janv-2025

Nipoitra indray ny Kolonely Charles Andrianasoavina izay isan’ny nanamarika ny tantara tamin’ny 2009

Card image cap
16-janv-2025

Nanomboka ny alatsinainy 13 ka nifarana ny alarobia 15 janoary 2025 tao amin’ny trano fivorian’ny Minisiteran’ny

Card image cap
16-janv-2025

Efa nahazatra ireo mpikirakira fifandraisan-davitra toy ny amin’ny alalan’ny finday hatramin’izay

Card image cap
16-janv-2025

Hita ho tena sahirana ny vahoaka malagasy, raha ny mikasika ny sosialim-bahoaka tamin’iny taona 2024 iny,

Card image cap
16-janv-2025

Niato sahady indray ny rotsak’orana izay neverina hifampitohy tao anatin’ny 3 andro,

Card image cap