airtel

Actualités

22-juil-2025

Maitre Eric Rafidison

«Mampitombo ny marina tsy fantatra ny lazain’ireo manam-pahefàna»

Sample post image

Lasa mampitombo ny marina tsy fantatry ny vahoaka

22-juil-2025

ny lazain’ireo manam-pahefana tamin'ilay famosaviana ara-tsakafo teny Ambohimalaza, hoy ny mpisolovava, Maitre Eric Rafidison. Mbola tsy nahafantatra ilay singa nahatonga ny famosaviana nahafatesan’olona maro teny Ambohimalaza hatramin’izao, hoy ity mpisolovava an’ireo fianakavian’ny namoy ny ainy ity. Angatahana, araka izany, ny hivoahan’ny marina amin’ity tranga ity, hoy izy omaly raha tonga teny amin’ny "Brigade de Recherches Criminelles" na borigady misahana ny heloka bevava eny Fiadanana. Tamin’ny zoma lasa teo no nandefa taratasy fitoriana manoloana ity tranga ity ireo fianakaviana. Ilaina ihany koa ny mahafantatra ny marina mikasika ity tranga ity sy ny fampiharana ny sazy ho an’ireo meloka. Mampitombo ny marina tsy fantatry ny vahoaka ny lazain’ireo manampahefana amin’ity tranga ity, izay mbola tsy fantatra ny tena marina iray volana aty aoriana ka mampiahiahy, hoy hatrany ny tenany. Nisy moa omaly ny fakàna am-bavany an’i Fenohasina, tompom-pety, sy ireo olona heverina fa meloka tamin’ity famosaviana ity ka andrasana ny tohiny.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

10-févr-2026

fanakorontanana sy tranga misesy fa efa vita kajy !

Card image cap
10-févr-2026

Ny servisy momba ny fitaovam-piadiana no tena lasibatra

Card image cap
10-févr-2026

Novonoin’ny olona tamin’ny 51 taona lasa»

Card image cap
10-févr-2026

Hamakivaky an’Atsinanana, Alaotra, Analamanga,…,

Card image cap
10-févr-2026

ny fanaraha-maso ny Fanjakana

Card image cap
10-févr-2026

Mariky ny fitiavana olona iray ny fanolorana

Card image cap