airtel

Actualités

10-sept-2026

Mamy Ravatomanga

“Diso avokoa ny fiampangana rehetra atao amiko”

Sample post image

Niseho tamin’ny alalan’ny « visioconférence »

10-sept-2026

teo anivon’ny BRC (Bail and Remand Court) atsy Maurice ny mpandraharaha malagasy Mamy Ravatomanga, nandritra ny fotoam-pitsarana momba ny fangatahana famotsorana azy amin’ny alalan’ny antoka ara-bola. “Diso avokoa ny fiampangana rehetra atao amiko”, hoy izy, araka ny tatitra navoakan’ny fampahalalam-baovao Maorisianina Defimedia.info. Nanizingizina i Mamy Ravatomanga fa mpampiasa vola izy fa tsy mpanao heloka bevava. Nampahatsiahiviny fa efa manana fifandraisana amin’ny banky ao Maorisy nandritra ny 30 taona mahery izy. Nanambara ihany koa izy fa vonona hanaraka ny fepetra rehetra napetraky ny fitsarana raha toa ka omena fahafahana amin’ny alalan’ny antoka. Nohazavainy fa tanjony ny hanadio ny voninahiny sy ny an’ny fianakaviany. Nanao fijoroana vavolombelona ny zanany vavy Lovanina Ravatomanga, i Mohammad Shakil Fakeermahamod, ary ny mpisolovava frantsay Hector Bernardini. Anisan’ny navoitrany ny filazana sy fiarovan-tena mafy fa tsy mpanondrana boaderozy izy, ary nilaza i Bernardini fa efa nikatona tamin’ny taona 2023 ny fanadihadiana nataon’ny Parquet national financier (PNF) momba ny raharaha trafika boaderozy sy ny fiampangana kolikoly izay nahavoarohirohy an’i Mamy Ravatomanga. Ny tenany izay hizingingizinin’ny FCC (Financial Crimes Commission) fa tsy tokony havotsotra satria ahiana handositra, mety hisy famafana sy famotehana porofo, mety hisy fanelingelenana ny fanadihadiana,... Taorian’ny omaly, voalahatra hatao anio alakamisy 10 septambra 2026 ny famelabelaran-kevitra ataon’ny mpisolovava avy amin’ny roa tonta, izany hoe mbola tsy nisy fanapahana mikasika ny fangatahany aloha izany hatreto. Iray amin’ireo adihevitra ara-pitsarana lehibe indrindra ao Maurice ity raharaha Ravatomanga ity, mampifandona ny fepetra ara-dalàna sy ny fiarovana ny zon’ny voafonja. Hatrany amin’ny 20 miliara dolara ny raharaha rehetra mahasaringotra ity mpandraharaha ity, izay isan’ny arahan’ny Fanjakana Malagasy maso akaiky, ary efa nisy ny dingana ara-pitsarana samihafa nataon’ny Fitondrana eto an-toerana, ny fanarahana ny raharaha ataon’ny firenen-dehibe toy ny amerikanina noho izy tafiditra amin’ny afera boeing 777,… Mbola mangotraka sy ho lava ity raharaha ity ka asa hanao ahoana ihany no hiafarany ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

10-sept-2026

Miahiahy sy miampanga olom-boafidy TGV ireo voakasika

Card image cap
10-sept-2026

tokony hahintsy ny fifidianana!»

Card image cap
10-sept-2026

ny volan’ny orinasan-dRajoelina

Card image cap
10-sept-2026

Hovitaina mialohan'ny faran'ny taona

Card image cap
09-sept-2026

rano fisotro madio tsy tapaka ny fanjakana

Card image cap
09-sept-2026

andrasana anio tohiny…

Card image cap