airtel

Actualités

17-août-2026

Mamy Ravatomanga

Mety hahazo fahafahana arahina anto-bola...

Sample post image

Andrasana amin'ity herinandro ity ny fivoaran'ny

17-août-2026

raharaha Mamy Ravatomanga. Ahiana ny hamitsorana azy? Navoakan'ny fampahalalam-baovao Mondafrique ny 14 aogositra teo fa nahazo vaovao momba ny ho famotsorana tsy ho ela azy ity fampahalalam-baovao ity. Heverina ho horohoron-tany na loza mitatao amin’ny fanavaozana politika ao Madagasikara, hoy ny filazany. Ny Fitsarana anefa no tompon'ny teny farany ary mbola baraingo tanteraka izay ho fanapahan-kevitra na eo aza ny fizaram-baovao samihafa. Anio 17 Aogositra 2026 ary mitohy rahampitso ny "audience" izay mikasika io fangatahana fahafahana arahina anto-bola na "liberté sous-cation", izay io misy vaovao mivoaka amin'ny mety hahafahan’i Mamy hivoaka ny fonja izao. Niezaka nanao fitoriana tany amin’ny "Cour Suprême de Maurice" sy ny "Conseil privé du roi" tany Londres ny mpisolovavany, saingy nolavina. Niverina amin’ny rafitra maorisiàna indray ny raharaha, ary mbola manohitra ny famotsorana azy ny FCC. Tamin’ny alina 11–12 Oktobra 2025, Ravatomanga dia tonga tao amin’ny Nosy Maurice tamin’ny alalan’ny jet privé, nitondra vola an’arivony tapitrisa dolara amerikana (mihoatra ny 7 miliara roupies) amin’ny alalan’ny tambajotra orinasa offshore any Seychelles, Maurice sy any ivelany. Ny Financial Crimes Commission (FCC) dia nanagiazana 180 tapitrisa dolara tao amin’ny banky roa ary nampiditra azy am-ponja tao amin’ny fonja avo fiarovana Melrose nanomboka ny 25 Oktobra 2025. Mazava ho azy, fa firenena 3: Maurice, Madagasikara ary Frantsa dia misy raharaham-pitsarana an'i Mamy Ravatomanga. Ny minisitry ny Fitsarana malagasy Fanirisoa Ernaivo dia efa nanambara ny Febroary 2026 fa efa nisy hatramin’ny 2018 ny ahiahy momba ny "blanchiment en bande organisée" sy hosoka ara-ketra, saingy tsy nisy fiaraha-miasa feno avy amin’i Maurice. Ny fanadihadiana dia mikasika ihany koa ny fahazoana trano na "acquisitions immobilières en Europe", indrindra tany Frantsa, tamin’ny alalan’ny "sociétés civiles immobilières" sy "entités offshore", raha ny fampahatsiahivan'ny Mondafrique. Tamin’ny 2019, efa nanala ny sakana tamin’ny fananan’i Mamy tany Paris sy Levallois ny Fitsarana Frantsa. Raha ny atsy Maurice, mahatratra 20 miliara dolara any ho any ny fitambaran'ireo resa-bola mahasaringotra an'i Mamy Ravatomanga. Havotsotry ny Maorisianina mora ve izy? TOE-DRAHARAHA JEOPOLITIKA Ara-politika, ambaran'io gazety vahiny io fa Rajoelina sy Ravatomanga dia heverina ho akaiky an’i Emmanuel Macron, ary misy resaka fa mety ho entina hiverina amin’ny sehatra politika Ravatomanga, toy ny “Donald Trump de l’Océan Indien”. Ny PNF frantsay dia nandefa iraka tany Port-Louis tamin’ny Jolay 2026, saingy tsy nisy fandrosoana mazava. Andaniny, ny filoha Randrianirina sy ny minisitra maro dia mety ho voakasiky ny fivoaran’ity raharaha ity, hoy hatrany io filazam-baovao io izay naneho fa fiarovana azy sy ny filohan’ny Antenimiera dia miankina amin’ny Rosianina. Ankoatra izany, ny FMI na ny Tahirimbola Iraisam-pirenena dia nandà ny hanome fandaharan'asa ara-bola ho an’i Madagasikara, izay heverina fa misy ifandraisany amin’ny fifandraisana amin’i Frantsa. Lasa misy endrika ny fifandanjana jeopolitika sarotra eo amin’i Madagasikara, Frantsa, Rosia ary Etazonia ny raharaha. Tonga hatramin'ny filazana fa mety hiteraka fikorontanana ara-politika lehibe amin’ny volana Aogositra 2026. Samy miandry izay tena ho tohin'ny Fitsarana anefa ny mpanara-baovao fa hatreto mbola tombatombana no betsaka.
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-août-2026

mamokatra 16MW ao amin’ny QMM

Card image cap
17-août-2026

Sambatra ny Firenena mañana

Card image cap
17-août-2026

Tontosa ny zoma 14 aogositra 2026

Card image cap
17-août-2026

mponina ny fandrosoan'ny tanana

Card image cap