airtel

Actualités

22-juin-2026

MANDROSEZA –AMBOHIMIANDRA

Ho tapaka mandritra ny 3 andro ny làlana

Sample post image

Ho tapaka mandritra ny 3 andro ny lalana

22-juin-2026

eo Mandroseza miazo an'Ambohimiandra. Noho ny asa fanoloana sy fanamboarana ilay fantsona simba sy vaky eny an-toerana no voalaza fa anton'izany. Ho tapaka ihany koa ny rano noho ny asa atao izay goavana tokoa. Fantsona manana savaivo 500mm ary eo amin'ny 180m eo noho eo mantsy no hosoloina tanteraka. Hatomboka anio Alatsinainy 22 Jona ny asa fanamboarana ary haharitra 3 andro izany raha ny nambaran'ny tompon'andraikitra . Ho tonga hatrany Ankadifotsy, Manjakaray, Soavimbahoaka, Nanisana, Ampasampito, Ankadindramamy, Ankerana, Analamahitsy, Ivandry, Soavimasoandro, Ambatobe, Masinandrina, Ambohitrarahaba, Ankadikely, Ilafy sy ny faritra manodididna akaiky an'ireo noho izany ny rano tapaka.Raha vantany vao vita kosa anefa ny asa dia hiverina tsikelikely ny famatsiana rano amin'ireo faritra ireo arakaraky ny fahafenoan'ny tambajotra. Fantatra moa fa hohampitomboina ny isan'ireo fiarabe mpitatitra rano hamatsiana ny tokantrano tsirairay amin'ireo faritra rehetra voakasika ireo hoy ny JIRAMA.
Pati
Légende : Izay izany vao hasiam-panamboarana ity fantsona vaky ity !
 

Dans la même rubrique

23-oct-2026

Sinoa iray tratra nitondra volamena

Card image cap
23-oct-2026

Manome lanja ny tontolon’ny

Card image cap
23-oct-2026

Misy vatsim-pianarana 12 hiofanana atsy Maorisy

Card image cap
23-oct-2026

Hiverina amin’ny heriny, eny

Card image cap
22-oct-2026

tohin’ny afera Nosy Be Hell Ville…

Card image cap
22-oct-2026

Notsipahan’ny HCC ny andininy miisa roa

Card image cap