airtel

Actualités

24-avril-2024

MANDROSONORO TSIROANOMANDIDY

Zaza vao teraka nisy nanary

Sample post image

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

24-avril-2024

mihitsy omaly Talata 23 Aprily tokony ho tamin’ny 06 ora maraina no fantatra fa nisy nanary tany Mandrosonoro, kaominina Tsiroanomandidy Fihaonana, raha ny vaovao voaray.Vehivahy iray hamonjy toeram-pivoahana no nahita ilay zaza izay tsy nanao akanjo fa mitafy lamba fotsiny ary mbola misy aina tsara. Nikofokofoka toy ny nitady nono fotsiny izy nandritra izany fa tsy nitomany, hoy hatrany ny vaovao azo. Nodiovina, nomena akanjo sy nomena nono ilay tsy manan-tsiny taorian’izany ary efa nojeren'ny mpitsabo ihany koa. Fantatra fa horaisin’ny fikambanana mpiahy ireo ankizy sy kamboty sy sahirana any an-toerana aloha ity zaza tsy manan-tsiny ity mandrapahafantatra izay tena marina momba azy. Ankoatra ny fahantrana lalina mahazo ny olona ankehitriny moa dia anisan’ny antony mety hanosika ny Renim-pianakaviana hanary ny zanany tahaka izao ihany koa ny fanarian’ny vadiny na ny olon-tiany azy. Na izany aza melohin’ny lalana foana ny famonoana na fanariana zanaka tahaka izao. Adidin’ny Ray aman-dReny hatrany mantsy ny mamelona sy miahy ny zanany.
Pati
Legende : Ilay zaza tsy manan-tsiny !
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap