Tafiditra tanteraka ao anatin'ny vanim-potoanan'ny ririnina isika ankehitriny. Mamirifiry mafy ny hatsiaka ary arahina herika mihitsy aza indraindray. Tena misy fiantraikany amin'ireo mivelona amin'ny asa fanetezam-bolo izany. Raha araka ny resaka nifanaovana tamin'ny Raim-pianakaviana iray mpanety volo etsy Anosy mantsy dia nihena an-tsasa-manila ny vola miditra aminy isan'andro. Raha miisa 10 ohatra ireo lehilahy tokony hihety volo isan'andro dia lasa dimy sisa izany. Antony mahatonga izany ny hirifiry ateraky ny hatsiaka. Kamo ny olona hihety volo fa mangatsiaka. Any amin'ny tapa-bolana any ho any vao miverina ny mpanjifa iray noho izany raha tokony ho isan-kerinandro. Mifanohitra amin'izay kosa rehefa mafana ny andro. Mihazakazaka miety volo avokoa ny lehilahy noho ny herin'ny hafanana. Tsiahivina moa fa 2000 ka hatramin'ny 3000 Ar ny manety volon-dehilahy iray amin'izao eny amin'ireo trano fihetezam-bolo tsotra raha manodidina ny 5.000 Ar ny anivon'ny trano fanaovam-bolo.
Pati
Légende : Asa mamelona fianakaviana maro ny fanetezam-bolo eto amintsika !