mikambana i Madagasikara, ka tsy afaka miala mihitsy amin’ny fianakaviam-be iraisam-pirenena. Ato amin’ny SADC, dia miainga amin’ny TROIKA, SADC, Vondrona Afrikanina, ary ny Firenena Mikambana. Tsy afaka miala isika na matoky ireo na tsy matoky», hoy ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana omaly, taorian’ny fipariahan’ny fehin-kevitry ny SADC. Notsindriany fa raha mbola mpikambana ao amin'ny SADC i Madagasikara dia ilaina ny mandinika sy manaja ireo fanapahan-kevitra sy tondrozotra raisin'ny fikambanana, satria mety hisy vokatra ara-politika sy ara-diplaomatika ny tsy fanarahana izany. Aminy, raha hanao toa ka hiala amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena dia manao toa an’i Burkina Faso tahaka ny ataon’i Ibrahim Traore, saingy sarotra amintsika. Tsy mitovy amin’ny toe-javatra misy any amin’ny Burkina Faso ny zava-misy eto Madagasikara amin’izao fotoana izao, raha ny fanamarihany. « Na hiala tanteraka dia tsy hiraharaha ny Firenena Mikambana dia eto ny tranontsika, fa raha jerena ny politika sy ny fifandraisana iraisam-pirenena », hoy i Marc Ravalomanana. Tsara ny mampahatsiahy, fa ny taona 2005 fony ny tenany mbola filoha am-perinasa no nidirantsika tao amin’ny SADC. Isan’ny nandrandrain’ny filoha teo aloha hanamora ny fodiany teto ny SADC taorian’ny fanonganan’i Andry Rajoelina sy ny ekipany azy ny 2009, saingy niraradraraka ny NOTAM na ny fanakanana tsy hiditra amin’ny habakabak’i Madagasikara tamin’izany, ka naharitra 5 taona sesin-tany ny filoha teo aloha, efa tsy teo amin’ny fitondrana ny volomboasary vao tafaverina teto izy ny oktobra 2014. Ankehitriny, miverina ny sary satria tao anatin’ny maha filohan’ny SADC azy mihitsy no niongana i Andry Rajoelina oktobra 2025, ary isan’ny ianteherany mafy ihany koa io rafitra izay nohamaivaniny fony tetezamita nitantanany io, ka nivoahan’ny vavabe nataon-dry Jeneraly Richard Ravalomanana aza tamin’izany hoe : alefaso aty ny SADC hanaovanay fanazaran-tena. Tsy izay aloha ny sary mitranga eto fa nitsimbadika tanteraka ny rasa, ka ankehitriny dia samy mitoky amin’ny SADC ireo filoha roa teo aloha izay nosokajiana ho mpifahavalo ara-politika sy mpifamelona ara-politika ihany koa amin’ny lafiny iray, raha ny famaritan’ireo mpandinika politika.
Toky R