airtel

Actualités

19-mars-2024

Masoivohon’i Japon sy ny

distrikan’Atsimondrano Hiara-hiasa, vita sonia ny famatsiam-bola 2.065.000.000 Ar

Sample post image

Hiara-kiasa akaiky hahafahana miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo

19-mars-2024

mahazo ny 48%-n’ireo ankizy latsaky ny 5 taona eto amintsika ny Masoivohon’i Japon miasa eto Madagasikara Atoa Sem Abe Koji sy ny Solombavambahoaka Alain Ratsimbazafy voafidy tao anatin’ny distrikan’Atsimondrano. Vita omaly Alatsinainy 18 Martsa ny sonia famatsiam-bola mitentina 2.065.000.000 Ar hahafahana manatontosana izany sy ho fampiroboroboana ny tontolo ambanivohitra. Amin’ity taona 2024 ity manokana dia hisy ny fanamboarana trano fivoahana(WC) sy trano fidiovana(Douche) ankoatra ireo tetikasa roa lehibe voalaza etsy ambony ireo. Tao anatin’ny roa taona voalohany anefa hoy ity Solombavambahoaka ity dia trano fivoahana(WC) maherin'ny 480 isa no efa vita. Ankoatra izay dia tokantrano manodidina ny 72.000 no nisitraka mivantana ny tetikasa tamin’ny alalan'ny fampiofanana, fanomezana masomboly ary fisitrahana fitaovam-pambolena maro isan-karazany. Mbola hitohy araka izany ny fiaraha-miasa eo amin'ny Masoivohon’i Japon sy ny Distrikan'Atsimondrano ho amin'ny telo taona manaraka. Tsiahivina moa fa tamin’ny 30 Jolay 2023 dia nisy ny fihaonana teo amin’Atoa Alain Ratsimbazafy sy SEM Bapak Benny Yan Pieter Siahaan Masoihovon'ny Repoblikan'i Indonezia eto Madagasikara. Dinidinika nahafahana nijery izay sehatra iaraha-miasa eo amin'ny lafiny Fambolena sy Fiompiana no nataon’ny roa tonta tamin’izany.
Pati
Legende : Ny solombavambahoaka Alain Ratsimbazafy sy ny Masoivohon'i Japon SEM ABE Koji izay samy vonona hiara-kiasa !
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap
15-mai-2024

lela fa tahaka ny tongo-bakivaky ka sady marary no mahamenatra ity zava-manjo an’i Gasikara.

Card image cap
15-mai-2024

Mitombo isa hatrany ireo vehivavy hanaovan’ny vadiny herisetra rehefa manda

Card image cap