airtel

Actualités

24-mai-2024

Mba tsy ho vatofototra

sy kabary fotsiny !

Sample post image

Lasa ny saiko mandinika ity fihetsiky ny Filoha farantampony tsy tahotra tsy henatra manao propagandy ity.

24-mai-2024

Fitiavana re izao, fampanantenana re izao, eny fa mety handeha hatramin’ny fahagagana mihitsy. Tena mitsetsetra anaty aho hoe : sao dia tokony ho propagandy foana aza mandavan-taona amin’izay mba mety tsy hisy distrika adino tokoa. Endrey izany fampanantenana tany Bealanana fa dia tsy avela hitoka-monina intsony hono anie e ! Hotohizana hono ny fanamboarana ka hatrany amin’ny lalana mampitohy an’i Bealanana sy Antsohihy hamboarina. Nisy hatramin’ny filazana fa alohan’ny faran’ny taona anie ! Indrisy mantsy fa raha tsy nisy propagandy dia adinona tao, efa ela anie ny antso vonjy sy fitairanana fa tafakatra 1000 na 1200Ar ny kilaon’ny vary noho ny faharatsian-dàlana tany amin’iny faritra iny sy ireo distrika manodidina e ! Enga anie mba tena hisy asa handeha tokoa ny asa nampanantenaina fa tsy ho tahaka ilay vato fototry ny « voie rapide » tao Toamasina izay 5 taona taty aoriana vao niverenana nanaovana fampanantenana vaovao indray !
Tia Tanindrazana

 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap