Misy fototra niaingana tsy latsa-paka teto hoy filohan'ny sendikan'ny mpitsara eto Madagasikara ((SMM) Mbitanarivo Andriantsohorisoa. Maro ny zava-nitranga teto hoy izy : nambara aloha hoe rava avokoa ireo andrim-panjakana taorian'ny nampirodana ny fitondrana teo aloha, avy hoe dia hoe tsy rava indray. Nisy ny adihevitra nanaraka an'io hoe mpisolo toerana ve sa tetezamita. Ankehitriny hoy i Mbitanarivo Andriantsohorisoa dia misy indray ny feo mandeha hoe ho soloana i anona sy anona ao amin'ny HCC. Fa maninona hoy izy ? Sao adino fa "mamdat impératif" ny an'ireo mpikambana ao amin'ny HCC hoy ny fampatsiahivany ka fahabangan-toerana ihany no antony ahafahana miroso amin'ny fanoloana, izany hoe na maty, na nametra-pialàna. Misy zavatra hihazakazahana, tsy tokony ihazakazahana ...Misy tokony ihazakazahana hoy izy. Sao dia tokony iverenana ihany hoy i Mbitanarivo Andriantsohorisoa ilay fanapahan-kevitra tamin'ny 14 oktobra 2025 , io ilay hoe rava ny rafitra rehetra. Misy fotoana mahazo kiana mafy izay mampalilo sofina ireo maneho hevitra kanefa tsy mampaninona izany hoy izy . Tsy hoe maneho hevitra akory dia midìka foana hoe forongony fa maneho hevitra satria tafaverina ny fahafahana maneho hevitra; maneho hevitra satria zaran'ireo tamingan'ny teo aloha aza hanaotao foana ny amin'izao toy ny manoka-dalana malalaka be ho azy; maneho hevitra satria ny manam-pahefany lohany no efa nilaza hoe ahitsio izahay raha misy tsy mety ataonay.; maneho hevitra satria tonga amin'ilay tenin'ny Ntaolo anie hoe :"ny hanongotsongoana ny maty, hono, tahotry ny handevim-belona"... "Fambaram-borona aza mampieritreritra, koa mainka fa fambaran'olona..." .Maneho hevitra satria mba hisy tahiry ho jinerin-janaka any aoriana any .
Nangonin"i RTT