airtel

Actualités

30-avril-2025

Mifamahofao ny toe-draharaha ao Toliara

Tsy mety voafehy ny rotaka, mihamafy ny lonilony…

Sample post image

Raha namoaka fanambarana ny mpitandro ny filaminana fa tsy misy hidiran’ny Base Toliara

30-avril-2025

ny toe-draharaha sy fifandonana tao Benetse ny 27 aprily teo, dia nanao fanambarana toa mifanohitra amin’izany kosa ireo Fikambanana maromaro ahitana ny CRAD-OI (Centre de Recherches et d’Appui pour les Alternatives de Développement – Océan Indien), F.A.R.M (Femmes en Action Rurale de Madagascar), R.J.D.D. (Réseau des Jeunes pour le Développement Durable), FI.FI.MA.MA. (Fikambanan’ny Fiherena Manombo Mangoky). Atsaharo ny fisamborana ireo mpiaro ny zon'ny vondrom-piarahamonina voakasiky ny fitrandrahana ataon’ny Base Toliara sy ny herisetra tafahoatra amin’ny famoretana ny hetsika ataon’izy ireo, hoy ny fanambarana. Naneho ny ahiahy lalina amin’ny ambarany fa herisetra tafahoatra sy fanasaziana ataon’ny mpitandro filaminana eo ambany fibaikoan’ny Governoran’ny faritra Atsimo Andrefana, manoloana ireo mpiaro ny zon’ny vondrom-piarahamonina voakasiky ny fitrandrahana ataon’ny Base Toliara, nandritra ny hetsika nataon’izy ireo ny 27 aprily 2025 tany Benetse, ho fanehoana indray ny fanoherany an’ilay tetikasa fitrandrahana, hoy hatrany ireto Fikambanana. Araka ny tatitra azo, hoy ny fanambarana, dia tonga tany Ankilimalinike ny mpitandro filaminana, hanambotra an’i Atoa RELASO, iray amin’ireo mpanohitra ilay tetikasa, nefa tsy hita teny an-toerana izy. Nampiseho fanoherana ny mponina noho ny fandraisan’ny mpitandro filaminana ny omby maro sy ny môtô an’io mpanohitra io. Ankoatra izay, nambara ihany koa fa hisy fisamborana hafa hatao amin’ireo mponina any Benetse izay manohitra ilay tetikasa, ka niteraka fihetsiketsehana goavana nitarika fametrahana sakana tamin’ny lalam-pirenena faha-9 teo Benetse.
6 VOASAMBOTRA, 2 NARATRA MAFY
Andaniny, ny mpitandro ny filaminana dia naneho, fa fisamborana olon-dratsy no natao, saingy nisy ny fanoherana. Nandritra ny fifandonana tamin’ny mpitandro filaminana izay naharitra valo (8) ora, dia olona enina (6) no nosamborina ary roa (2) naratra mafy. Anisan’ny naratra i Lehiben’ny ZAP ao Ankilimalinike izay naratra tamin’ny ranjo, ary Atoa Reboha izay nalefa hotsaboina any Toliara noho ny ratra mafy vokatry ny tifitra teo amin’ny kibo, hoy ireto fikambanana ireto. « Midera ny herim-pony sy ny fitiavan-tanindrazana nasehon’izy ireo izahay, ary manameloka tanteraka ireo mpanao fanararaotana voalaza etsy ambony izay manao asa ratsy tsy misy fanasaziana amin’ny anaran’ny manampahefana, hiarovana ny tombontsoan’ny orinasa vahiny», hoy ireto fikambanana ireto. Manerana an’i Madagasikara, ilaina ny famaranana avy hatrany ny fanenjehana, ny fandrahonana, sy ny famoretana ataon’ny fanjakana amin’ireo mpiaro zon’olombelona, sy amin’ireo fihetsiketsehana miaro ny fahaleovantena amin’ny tany sy ny harena voajanahary, hoy hatrany ny fanambarana. Misy fifanoheran-kevitra sy serasera mifanohitra nataon’ny manam-pahefana sy ireto fikambanana ireto mikasika ny toe-draharaha any Toliara, mbola mitoetra ny lonilony, herisetra, rotaka,… ka andrasana indray ny tohiny !
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap