Andry Rajoelina i Mikolo ilay tovolahy isan'ny nanamarika ny tolona tarihin'ny tanora anatin'ny GEN Z, hitakiana fanovana, tonga hatramin'ny fitakiana ny fialan'ny filoha izay ambaran'ny tanora fa tsy antenainy amin'ny hoaviny. Nahitsy i Mikolo talohan'ny nisamborana azy raha niantefa tamin'i Andry Rajoelina hoe: "Ho anay izany Raiamandreny izany Atoa Filoha tsy mizara vola. Tsy haiko na nataonao na tsy nataonao, fa raha ny zavatra henonay dia ianao nizara vola. Fitiavana izany tsy voavidy vola raha fitiavana marina no lehibe indrindra, ary ny fitiavan-tanindrazana tsy voavidy vola.". Nambarany fa efa nomena herijika be dia be hitondra i Andry Rajoelina ka ampy izay ny fampanantenana tsy misy vokany. "Efa nomena "chances" maro ianao, efa natao ny zavatra rehetra, efa , nitondra tetezamita, taom-piasana in-droa nisesy fa mbola ohatr'izao ihany ny zavatra mitranga.", hoy i Mikolo. Aza omena tsiny izahay Atoa Filoha fa tsy mety intsony, tsy azo ekena intsony, tsy hanaiky hifampiresaka, ny namanay aza tazoninao any, lazainao fa mpamono olona, lazaina fa mitondra filesy, bala bile, ka tsy mbola ratsy lavitra noho izany ve no ataon'ny "forces", tifiriny amin'ny bala tena izy izahay, ka tsy manaiky an'izany, hoy hatrany izy. Nahitsy ny tenany eo anatrehan'ny fanamaivanan'i Andry Rajoelina ny ain'ireo tanora maty. "Marary anay ireny namanay maty ireny na lazainao 12 na 22 ka izahay tsy hijanona intsony", hoy izy nanamafy fa tsy rariny ny atao amin'ny Malagasy. "Sokafy ny Kianjan'ny demokrasia, tsy maintsy tafiditra ao izahay", hoy hatrany izy. Ity farany izay nilaza fa efa tsy manaiky sy tsy mino ny fampanantenana intsony ny vahoaka, ary nanao sarisarin-teny mikasika serasera ny paozin'ny olona iray tsy mahalala tsy tiana dia anjaranao no mamantatra hoe iza ilay, hoy i Mikolo niantefa tamin'i Andry Rajoelina. Taorian'izay no nisamborana tamin-kery ity tanora ity, natao toy ny biby, tsy nasiana hasiny, nitsahina ny lohany, tsy navela hikofoka. Mbola nahavita nihiaka i Mikolo hoe: "maty ho an'ny tanindrazako Aho" teny ambony fiaran'ny "forces". Voasambotra teo Anosy, efa nentina teny Ambohidahy, avy eo naodina ny fiara nitondra azy, ka nentina niverina teny Anosy indray, izay vao tena nentina. Somary nakiraviravy avy eo notsindriana sy nohitsahina tsy hikofoka. Ny zandary sasany aza nisy niloa-bava hoe: "aza hitsahina ny lohan'ilay olona". Asa natao ho hitan'ireo tanora mihitsy mba handemena ny sain'ny rehetra hoe izao no hahazo anareo. Niparitaka moa ny serasera avy amin'ireo mpanohana Fitondrana toy ny lehilahy iray chargé de mission an'ny Fiadidian'ny Repoblika izay nilaza hoe: "nilaza ny tompon'andraikitra, fa nahazo renseignement izy ireo fa misy mikasa hanao sorona i Mikolo ka ho fiarovana ny ainy dia nalainay izy, ary havoakanay rahariva". Tsy manamaivana ny lazaina fa loharanom-baovao, saingy ny habibiana sy herisetra natao tamin'ilay tovolahy kely tanam-polo sanatrian'ny natao toy ny biby dia toa tsy mampitombina ny filazana fa noho ny fiarovana ny ainy. Olona harovana dia hitsahina, entina haseho ireo mpitolona ny herisetra atao aminy? Mitohy ny habibiana ataon'ny Fanjakana amin'ny olona tanam-polo! Ankoatra ny nisamborana an'i Mikolo izay re fa efa votsotra dia maro no naratra, betsaka no sempotry ny entona,...
Toky R