airtel

Actualités

09-févr-2026

Minisiteran'ny Atitany

Nitrangana fahamaizana goavana!

Sample post image

Loza tsotra sa misy ambadika?

09-févr-2026

Firehetana goavana tao Anosy Nisy firehetana lehibe namely ny trano sy ny birao fiasan’ny Minisiteran’ny Atitany sy Fitsijaram-pahefana etsy Anosy ny sabotsy 7 febroary teo. Ahiana ho noho ny akoson'aratra na "court-circuit" , saingy ny fanadihadiana lalina no mety hanamarina azy. Araka ny fanazavan’ny Jirama, dia voatery nanao fampiatoana vonjimaika ny herinaratra tamin’ny lalana 18 izy ireo, ho fepetra fisorohana noho ny afo nipoaka tao amin’ilay tranon’ny ministera. Ny tambajotra 18 dia manome herinaratra ny faritra maro, anisan’izany i Antetezana Afovoany, Manarintsoa, Andavamamba, Alliance Française, Complexe scolaire, LMA, Cité Ampefiloha, Ambalavao (Isotry), CNaPS, Ampatsakana ary ny faritra manodidina ny Carlton. Na dia nanahirana aza noho ny haavon’ilay trano sy ny rivotra nanampy ny fiparitahan’ny afo, dia haingana ny fandraisan’andraikitry ny mpamono afo ka voafehy tsy ela ny lelafo. Araka ny nambaran’ny Minisitra ny Atitany, Rakotonandrasana Hanitra Velonjara Tiaray, dia tao amin’ny rindrina faha-7 no nipoaka ny afo, ka nahavoa birao folo teo ho eo, izay efatra tamin’ireo no simba tanteraka. Tsy Mbola fantatra mazava kosa hoe dosie tahaka ny ahoana no may? "Rehefa nandalo ka niditra tato amin'ity ministera ity aho ny volana desambra 2025 lasa teo dia gaga mahita ireo karazana fils électriques mikorozaroza sy mandady eraky ny trano sy lalantsara. Matetika "court-circuit" no mahatonga ny toe-javatra toa izao.", hoy ny fanehoan-kevitry ny mpanao politika Guy Randrianarisoa. Maro ihany koa no mieritreritra sy manahy fa misy ambadika politika ny tranga, indrindra eo anatrehan'ny ny maha stratejika ny Minisiteran'ny Atitany. Fahamaizana toy ny loza rehetra tokoa ve sa sanatrian'ny vava misy ambadika politika sy asa fanakorontanana ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-oct-2026

Sinoa iray tratra nitondra volamena

Card image cap
23-oct-2026

Manome lanja ny tontolon’ny

Card image cap
23-oct-2026

Misy vatsim-pianarana 12 hiofanana atsy Maorisy

Card image cap
23-oct-2026

Hiverina amin’ny heriny, eny

Card image cap
22-oct-2026

tohin’ny afera Nosy Be Hell Ville…

Card image cap
22-oct-2026

Notsipahan’ny HCC ny andininy miisa roa

Card image cap