airtel

Actualités

24-avril-2024

Minisitry ny fitsarana teo aloha

“Mihamafy ny Fanjakana tsy tan-dalàna ka antony hijoroana”

Sample post image

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

24-avril-2024

mpampianatra lalàna, avara-pianarana,… ny Minisitry ny Fitsarana teo aloha tao anatin’ny tapany voalohan’ny Fitondrana Rajoelina dia Atoa Johnny Andriamahefarivo. Naneho heviny manoloana ny tsindry politika sy baiko politika mahazo ny mpitsara, ka isan’ny noraisiny ho ohatra, ny raharaha nanonganana an-dRtoa Christine Razanamahasoa, izay toa nandeha ila, tsy nisy fihainoana ny naongana, tsy voahaja akory ilay 48ora nomena,... Misy fanonganana navoaka, ny didy tsy azo ivalozana ary ekena, fa any ambadimbadika any misy raharaha mikorontana eo amin’ny fitsarana,… Raharahan’ny samy antoko, misy fifanolanana, tsy noraharahiana, misy karazana resaka hoe: mitombina sa tsy mitombina. Sao mba tokony hodinihana ihany satria ilay olona tao anaty antoko, ary teny Analakely nisy fifampitifirana, I Madagasikara mitady ny làlana hisorohana ny zavatra tahaka izany ka moa tsy andraikitra depiote. Sao mba tokony nomena fotoana kely izy namaliana? Hoy ity Minisitra ity. Nahitsy izy naneho, fa toa ohatran’ny nisy endrika baiko avy amina tompon’andraikitra ka nahatonga didy nivoaka ho ana tombotsoa politika, ho tombotsoan’olona ao anaty politika fa tsy ho an’ny tombotsoan’ny firenena. Niaiky ary nahitsy ity Minisitra teo aloha ity nilaza fa ny ijoroana ankehitriny dia misy tokoa ny baiko sy teny midina ary hatramin’izay, ka ny ahiahy tsy hihavanana no hahasahiana miteny fa latsaka an-davaka I Madagasikara, mba efa tsy rariny intsony, ary ny tena henjana dia niala amin’ny Fanjakana tan-dalàna ka lasa fitondrana mankalaza sy manindrahindra ilay antoko sy ny fitiavan-tenan’ny antoko, ka fa tsy ho an’ny tombotsoan’ny firenena, hoy izy nanamafy.
Toky R

Misy fotoana tokony haha

Raharaha fony bizy ben’ny tanona
Didy navoakan’ny PAC
Johny Richard Andriamahefarivo
Raymond Ranjeva
Velom-panontaniana ireo mpampianatra lalàna
Tsy misy intsony ny tany tan-dalàna
Ny ahiahy tsy hihafa

Johny Richard Andriamahefarivo
Atrikasa niarahana
Fanairana ny mpitsara namana tokony hijoro.

 

Dans la même rubrique

16-janv-2025

Goavana ny fanarenana miandry, raha ny toekarem-pirenena eto Madagasikara no asiana resaka.

Card image cap
16-janv-2025

Nipoitra indray ny Kolonely Charles Andrianasoavina izay isan’ny nanamarika ny tantara tamin’ny 2009

Card image cap
16-janv-2025

Nanomboka ny alatsinainy 13 ka nifarana ny alarobia 15 janoary 2025 tao amin’ny trano fivorian’ny Minisiteran’ny

Card image cap
16-janv-2025

Efa nahazatra ireo mpikirakira fifandraisan-davitra toy ny amin’ny alalan’ny finday hatramin’izay

Card image cap
16-janv-2025

Hita ho tena sahirana ny vahoaka malagasy, raha ny mikasika ny sosialim-bahoaka tamin’iny taona 2024 iny,

Card image cap
16-janv-2025

Niato sahady indray ny rotsak’orana izay neverina hifampitohy tao anatin’ny 3 andro,

Card image cap